airtel

Politique

08-mars-2024

Antanimora atsimo lasa distrika

«Misy kajikajy politika sahady ao»

Sample post image

Misy kajikajy politika sahady ankehitriny amin’izao mialohan’ny fifidianana izao,

08-mars-2024

hoy ny antoko politika Fiombonana. Tsara, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko, Durlin Retogniane, ny mamindra toerana tomponandraiki-panjakana raha ilaina saingy tsy amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana toy izao. Toy izay koa ny famoronana distrika na fananganana faritra. Ilaina izany raha teren’ny zava-misy isika saingy tsy mialohan’ny fifidianana toy izao satria lasa misy kajikajy politika ao ambadik’ireny fanendrena tompon’andraikim-panjakana, indrindra, eny anivon’ny distrika ireny satria aza adino fa fifidianana solombavambahoaka no hatrehina. Voakasika no dikan’izay ny lehiben’ny distrika sy prefe. Mila mitandrina ny fitondram-panjakana mba hisian’ny fahamarinan-toerana eo amin’ny fianakaviambe iraisampirenena manoloana ny vokatra ho avoaka eo mba tsy ho sanatria ho toherin’ny mpanohitra izany. Hitantsika izao fa ny famoronana ilay distrika vaovao izay voalaza tamin’ny filankevitry ny minisitra omaly dia manamarina izay ahiahin’ny antoko mpanohitra izay satria efa fantantra mazava fa manana kandida ny antokon’ny fitondrana amin’ilay distrikan’Antanimora atsimo. Kaominina mandrafitra ny distrikan’Ambovombe Androy izany Antanimora atsimo izany. Azo atao tsara ny mampisaraka ny distrikan’Ambovombe Androy amin’ilay kaominin’Antanimora atsimo, noho ilay halaviran-toerana, ny haratsin’ny lalana, ny tsy fandriampahalemana, ny faharefoan’ilay mponina any amin’iny tapany atsimon’i Madagasikara iny. Tafasaraka tanteraka amin’ny distrikan’Ambovombe Androy nefa Antanimora atsimo. Ny mampanahy fotsiny dia hoe maninona no mialohan’ny fotoam-pifidianana toy izao no hanovana io kaominina io ho distrika.
MISY KAJIKAJY POLITIKA AO.
Efa manana kandida ho ao izany ny antokon’ny fitondrana ankehitriny ary antenain’izy ireo fa ho lany io kandida io satria tsy niomana amin’izany ny antoko avy aty amin’ny mpanohitra. Izay no mahatonga ny aty amin’ny mpanohitra mitaky faran’izay haingana, satria efa manakaiky ilay fotoana, hoe firy marina no ho isan’ny depiote ao amin’ny antenimieram-pirenena mba hahafahan’ny rehetra miomana amin’ny kandida any amin’ireo distrika voalazan’ny lalàna ireo? Mbola tsy misy fanambarana ofisialy mikasika izany nefa hatramin’izao. Tsy maintsy hisy fiovana nefa io ary mbola azo heritreretina ny mety hisian’ny distrika vaovao satria be dia be ireo mangataka distrika vaovao koa ka raha ohatra izany amin’ny tombontsoan’ny fitondrana, izany hoe, hahazoany vato ilay distrika ho foronina vaovao dia mazava ho azy fa ho ankatoaviny ao anaty filankevitry ny minisitra. Fa raha tsy izay, na dia nangataka aza ny olona any an-toerana, dia tsy maintsy ho vary mangatsiaka izany. Ny angatahanay ivelan’ny fitondrana fotsiny dia ny hoe ahoana no ahafahana mitaky amin’ny fitondrana ny isan’ny toerana eo anivon’izany andrim-panjakana mpanao lalàna izany faran’izay haingana mba tsy hisian’ny zavatra ohatran’ireny, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap