airtel

Politique

18-oct-2024

Antenimierampirenena

Tena hiady ho an’ny vahoaka sa andrim-panjakana saribakoly ?

Sample post image

Ankoatra ilay fihaonana nikaton-trano tamin’ny Minisitry ny fitantanam-bola izay tsy nisy akony,

18-oct-2024

efa lany ny fandaharam-potoana teo anivon’ny Antenimierampirenena, ka ho an’ny omaly dia niompana tamin’ny fananganana kaomisionina sy mpikamban’ny birao isaky ny kaomisionina maharitra, izay voalaza fa hitohy anio. Hiroso amin’ny fananganana birao ho an’ny fiarahalahiana parlemantera ny alatsinainy izao hatramin’ny 24 oktobra,… Isan’ny fandaharam-potoana ao anatin’izao fivoriana izao ny fandaniana ny fifanarahana mikasika ny famatsiam-bolan’ny « fly-over Maki » ifanapahan’ny lalan’ny Frankofonia sy Boulevard de l’Europe. Efa an-taonany izay ny niresahana sy nanaovana serasera ny resaka fly-over sy ny filazana fanombohan’ny asa, ary minisitry ny asa vaventy aza efa maro no nifanolo teo, fa mandrak’ity izany ny androany mbola any amin’ny resaka fandanian’ny solombavambahoaka ny fifanarahana ny dingana. Anisan’ny hodinihina ihany koa ny volavolan-dalàna manova sy mameno ny lalàna momba ny ady amin’ny VIH/SIDA sy ny fiarovana ny zon’ireo olona mitondra izany. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny resaka fanomananana ny fihaonamben’ny SADEC, ny hanolorona ny tatitry ny tombana mikasika ny SNLCC (Système National de Lutte Contre la Corruption) 2015-2025 avy amin’ny Komity miaro ny fahintsiana, ary ny fanolorana ny tatitra avy amin’ny Kaomisionina nasionaly mahaleo tena mikasika ny zon’olombelona. Tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ao anatin’ny 3 herinandro voalohan’ny fivoriana ara-potoana hatreto ny fihaonana fametraham-panontanian’ny depiote amin’ny governemanta. Voafaritry ny lalàmpanorenana ny fanaovana an’io saingy efa tany amin’ny 2022 no nisiany farany. Na hisy an’izany ihany koa aza moa inona no antenaina ? Moa tsy fandokafana no betsaka na efa tsy mahomby aza ny governemanta ary na misy aza ny fanontaniana masiaka sy fitakiana famahana ny olam-bahoaka tsy efa mazava ve ny valiny fa fampanantenana no setriny betska? Ny azo antoka aloha dia tsy hampanano sarotra ny fitondrana Rajoelina ny mampandany izay tiany holaniana ao amin’ny fananany maro an’isa, saingy mandeha ihany koa ny fitakiana tombotsoa maro samihafa avy ao amin’ny antenimierampirenena. Asa tena mbola azo lazaina ho misolo vava sy hiady ho an’ny vahoaka tokoa ve indrindra fa ireo vondrona maro an’isa mpanohana fitondrana sa sanatrian’ny vava lasa antenimiera na parlemantera saribakoly na koa « boite au lettre » araka ilay fomba fitenin’ny mpanao politika sasany ka izay tonga ao lany avokoa ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap