Mitety ireo Fokontany 192 mandrafitra ny kaominina Antananarivo renivohitra ny Antenimieran'ny Tolona ho an'ny Fanavaozana maka ny hevitry ny vahoaka eny ifotony ho entina harafitra mandritra ny fikaonandoham-pirenena hatao eto amintsika ny datin'ny 03 Jona ho avy izao. Diso saro-piaro loatra amin'izao fitondrana mijoro izao izahay hoy ireo tompon'andraikitra nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly antony handaniany fotoana sy herimpo mihitsy mba hahafahana manangana firenena vaovao atsy ho atsy. Hatramin'izay hoy hatrany izy ireo dia zavatra efa vonona hatrany no haroso fa tsy misy hevitry ny vahoaka mihitsy. Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly Alarobia 27 May ny fitetezana Fokontany tanterahin'izy ireo. Hitohy mandritra ny 06 andro izany. Ankoatra ny resaka fandriampahalemana eny ifotony, ny resaka fahadiovana sy sosialy, ny asa maika tena takian'ny vahoaka amin'izao Fitondrana fanavaozana izao dia maka hevitra momba ny rafitra tian'ny olona hapetraka eny ifotony koa izy ireo toy ny rafitra fokonolona ve sa ny Fokontany ? Ho an'ny tetsy amin'ny Fokontany Anosizato Atsinanana II manokana dia ny resaka sosialy no tena nampitaraina fatratra azy ireo. Tafiditra tao anatin'izany ny tokony hitsinjovana ireo Reny mivelona amin'ny asa fanasan-damba, ny fananganana trano fivoahana mba tsy hiparitahan'ny maloto...
Pati
Légende : Nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny ATF !
Fotoana hanehoan'ny Malagasy firaisankina