airtel

Politique

26-juil-2022

Politique

Antoka Arema Mametraka ireo rafitra isam-paritra

Sample post image

Teny nifanomezana tao anatin’ny antoko Arema ny fitetezana faritra amin’izao fotoana hitantanan’ny sekretera nationaly Anick Ratsiraka izao, hoy io antoko io.

26-juil-2022

Efa faritra maro no nisitraka izany fa nandritra iny herinandro lasa iny dia i Boeny sy Sofia ary SAVA no nahazo izany. Nisy ny dian’ireo delegasiona izay nahitana ireo “comité directeur”-an’ny antoko ary ny sekretera nationaly Anick ratsiraka tao Boeny ny herinandro nanentanana sy nankasitrahana ireo biraon’ny arema rehetra izay efa mijoro. Teo ihany koa ny fametrahana ireo rafitra rehetra isan’ambaratongany dia ny vehivavy Arema, ny tanora sy ny maro hafa. Natao ihany koa izao ho famangiana ireo akanin-jaza izay mbola mijoro any amin’ny faritra, toy ny tany Antalaha sy Nosy be izay natsangan’i Ramatoa Celine Ratsiraka tamin’ny fotoan’androany. Isan’ny tena mbola matanjaka amin’ireo akany manodidina ny 77 tantanin’ny arema ny Akanisoa ao Antalaha, efa tany amin’ny taona 1984, izay maro be ireo mpianatra nandalo tao Manodidina ny 300 isan-taona ireo mandrato fahalalana sy beazina ao amin’ity akany ity raha ny fanazavana hatrany. Nanamafy moa ny sekretera nationanlin’ny antoko arema Anick Ratsiraka fa hitohy any amin’ny faritry melaky sy ireo hafa tsy mbola nalehan’izay ireo izao fitetezam-paritry ny ny antoko Arema izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap