ampanetren-tena fa anisan’ny kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo izahay tamin’ny farany teo, ary nanatanteraka ny lalàna rehetra toy ny loharanom-bola sy ny fampiasam-bola rehetra izay naterina teny amin’ny fitsarana momba ny kaonty”, hoy ny Antoko Politika Madio ny APM tarihin-dRakotoarisoa Faniry Alban na Baba omaly. Izy ireo izay isan’ny nanasonia voalohany ilay sata ara-pitondran-tenan’ny antoko politika izay novolavolain’ny FES na ny Friedrich Ebert Stiftung. Marina fa ny vahiny dia ny FES sy ny Vondrona Eoropeanina no niara-namolavola azy niaraka tamin’ny antoko politika maro teto an-toerana. Naneho ny APM fa heverina fa zava-dehibe ny toetra, fihetsika, fitondran-tena, tokony hanan’ny antoko sy ny mpanao politika no voasoratra ao anatiny. “Lehilahy lehibe sy vehivavy lehibe mifanaiky matoa nanao sonia, ary misy ireo komity mpanara-maso ny fanatanterahana izay voasoratra, ka ny omby fatorana amin’ny lohany fa ny olona fatorana amin’ny teniny sy ny sonia izay nataony ka hotsarain’ny havany eo hoe: iza no nanao sonia kanefa tsy hanaraka fa hotsarain’ny tantara ary hotsarain’ny vahoaka”, hoy ny Filohan’ny Antoko APM. Momba ny tsy dia fahitana firy ny antokon’ny Fitondrana na ny olon’ny fitondrana tao anatin’io, dia naneho I Baba Rakotoarisoa fa mety mbola tsy dia resy lahatra angamba, kanefa ny Fitondram-panjakana no tokony ho tompon’andraikitra voalohany. Nomarihiny fa ny lanjan’io dia ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny lalàna mifehy ny antoko politika no ambony, kanefa ny fitandroana ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana no tokony ho zava-dehibe. Nitondra kihana mivaivay moa I Baba Rakotoarisoa eo anatrehan’ny fihetsiky ny fitondram-panjakana, fa indrindra indrindra momba ny vaovao mafana mikasika ny zom-pirenen’ny Filoha ankehitriny. “Izay tsy manara-dalàna aoka tsy hirotsaka hofidiana, izay tsy manara-dalàna na ny sata ara-pitondran-tena no jerena na ny lalàna dia aoka holavina. Raha tsorina, aminay dia tsy afaka mirotsaka ny filoha ankehitriny Andry Nirina Rajoelina satria tsy Malagasy”, hoy hatrany I Baba Rakotoarisoa.
Toky R
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika