Nandritra izany no nihainoana ny fitarainan’ireo tanora. Nisongadina ny tsy fananan’izy ireo asa hivelomana na dia isan’ireo Kaominina ahitana orinasa afa-kaba maro indrindra aza ao Tanjombato. Nambaran’ireo tanora fa manjaka ny risoriso amin’ny fampidirana mpiasa eny amin’izao fotoana izao, tsy ho tafiditra mihitsy raha tsy mandoa vola amin’ireo tomponandraikitra. Mampalahelo ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao na dia ezaka nataon’ny fitondrana Ratsiraka tamin’ny fotoan’androny aza ny fananganana orinasa , indrindra ny afa-kaba hanomezana asa ireo tanora. Vahaolana natolotry ny Arema ny hanomezana fiofanana ireo tanora ahafahany manangana fihariana ho azy manokana ka ny antoko no hanome ny mpampiofana. Havondrona araka izany ireo tanoran’i Tanjombato ireo ahafantarana izay fiofanana tiany ho rantovina. Miomana amin’ny fambolen-kazo hatao eny amin’ny Kaominina Tsiafahy ny antoko amin’ny 4 febroary. Mitohy amin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy izany ny 8 martsa, ary ny fankalazana ny faha- 47 taonan’ny Arema ny 19 martsa 2023, izay ho atao eny Antanikatsaka Itaosy.
Jean D.
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny