airtel

Politique

08-mars-2022

Politique

Antoko Arema Maka ny fon’ny eny amin’ny faritra iva

Sample post image

Vory lanona teny Faravohitra afak’omaly alahady 06 martsa ireo mpiangaly ny baolina lavalava avy amin’ny boriboritany 6 avy eto Antananarivo,

08-mars-2022

 tonga nandray fanomezana ny avy amin’ny antoko Arema. Baolina lavalava iray isaky ny klioba no natolotry ny antoko hoan’ireo mpanao fanatanjahantena ireo, ka klioba 30 no nisitraka. Nanolotra izany ho azy ireo ny sekretera nationalin’ny Antoko Ramatoa Annick Ratsiraka. Nankasitraka tanteraka izao fifanomezan-tanana izao ireo mpanao fanatanjakhatena ireo ary nilaza fa manantena ary vonona tanteraka amin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ny antoko Arema izy ireo. Antenaina, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpanao rugby eto Antananarivo renivohitra fa hitohy amin’ny fikarakarana fifaninanana izao fiaraha-miasa izao. Ankoatra izay ny fanentanana ireo tanora amin’ny fandiovana ny tanana tahaka ny efa natao teo aloha. Ho ffanamafisana ny fiarahana dia hisy ny fiarahana mamboly hazo eo amin’ireo tanora Arema sy ny Mpikatroka baolina lavalava izay ho atao ny 13 martsa izao Any Katsaoka Imerintsiatosika. Manodidina ny 200 eo ireo mpanao rugby hiatrika izany ary hanatevin-daharana azy ireo ny ratsamangaikan’ny Antoko Arema, hoy ny fanazavana. Eo ny tohana ho an’ny fanatanjahantena, fa tsikaritra ho efa miomana sy manomana ny paikady ara-politika hampitombo ny mpanara-dia azy ny Arema. Miezaka maka ny fon’ny olona eny amin’ny faritra iva satria taorian’ny fanadiovana teny amin’ny faritra iva, dia ny mpiangaly rugby indray no alainy ny fony. Efa akaiky rahateo ny fifidianana, ka dia manomboka mihetsiketsika izany. Ny tanjon’ny antoko politika dia ny haka fahefana ka asa na handeha amin’ny anarany manokana ity antoko ity amin’ny fifidianana samihafa ho avy na hanambatra hery amin’ny antoko hafa ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap