airtel

Politique

15-juin-2023

Politique

Antoko Fanorolahy Hanao kongresim-paritra

Sample post image

Miainga avy eny ifotony toy ny fandaharan'asa rehetra ho enti-mampandroso ny firenena ny antoko fanorolahy, tarihin’ny filoha nasionaliny José Randrianary.

15-juin-2023

Hanatanteraka kongresim-paritra izy ireo manomboka amin’ny sabotsy 17 jona ho avy izao ka eny an-tanimboly no hanatontosany izany. Ao Antanety Atsinanana, kaominina ambanivohitra Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo no hisantarany izany ka fampianarana miompy tantely sy ny voly avotra no hatao mandritra ny tontolo andro.Arahina dinik'asa sy ady hevitra ny hetsika ka anisan’ny hovoaboasana mandritra izany ny hoe : inona no tena olana sedrain’ny tantsaha ary inona no vahaolana mifandraika amin’izany, mifanaraka amin’ny vanim-potoana misy ankehitriny ? Tsy hijanona hatreo ny hetsika fa hitohy any amin’ny faritra amin’ny alalan’ny fihaonana mivantana amin’ireo tantsaha ka any Fenoarivo Atsinanana no hamaranana izany aorian’ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona. Tanjona ny hahafahana mitsinjo sy mijery ny tombontsoam-bahoaka ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : hamboly sy hiompy isika ka hamokatra.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap