airtel

Politique

26-juil-2022

Politique

Antoko HVM “Lasa izao, ny herim-bahoaka tsy resin’ny basy”

Sample post image

Nisy omaly ny fanambarana nataon’ny Antoko HVM tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraly mpisolo toerana Alain Désiré Rasambany manoloana ny toe-draharaha ara-politika niseho ny sabotsy 23 jolay lasa teo,

26-juil-2022

nisian’ny hetsiky ny mpanohitra nitrangana fandrarana sy fisamborana. “Mitohy sy mahazo faka lalina ny jadona sy ny fanaparam-pahefana ary ny tsy fanarahan- dalàna ataon'ny mpitondra ankehitriny eto amin'ny Firenena, hoy ny HVM. Nambaran’izy ireo fa takonana ao anaty ramatahora sy ny fanapenam-bava ny tsy fahaiza-mitantana izay mampitombo ny fahantran'ny vahoaka Malagasy. Etsy ankilany anefa, nahitsy io antoko io nilaza fa ny fandrobana ny harem-pirenena ataon'ny olom-bitsy izay arovan'ny fitondrana dia mampitombo sesilany ireo fahorian'ny vahoaka. Manoloana ireo tranga ireo, nanameloka ny fanakanana ireo izay tsy mitovy hevitra amin'ny mpitondra ankehitriny sy ny fanehoan-kevitra natao ampilaminana teto Antananarivo ny HVM, manameloka ny fampiasana herisetra ka nikasihan-tanana ny Filoha lefitrin'ny RMDM, Pasitera Edouard Tsarahame sy ny fisamborana ankeriny natao tamin'ny Sekretera Jeneraly sy ny Mpandrindra ny antoko TIM, Andriamasinoro Riana sy Rakotonirina Jean Claude, ary ireo izay tsy mankasitraka na koa ireo mitsikera ny Filoha Mandà ankitsirano ny fampihorohoroana ataon'ny mpitondra fanjakàna amin'ny alalan'ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana, hoy hatrany ity antoko naorin’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ity. Nanamafy ny HVM fa vavolombelona ny mpiaramiombon'antoka iraisam-pirenena manoloana ny fampahantrana ny vahoaka Malagasy sy ireo tsy fanajana ny demokrasia. Noho izany, nanao antso amin’ny vahoaka tsy hihemotra ary tsy hanaiky lembenana intsony ny HVM, ary somary nanao teny sy baikom-pitolomana sy fahasahiana goavana mihitsy aza, fa miteny ny basy eo anatrehan’ny herim-bahoaka. “Mamporisika ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ny antoko hiady amin'ny tsy rariny mitranga eto amin'ny firenentsika. Ny herim-bahoaka tsy resin'ny basy ary misy farany ny zava-drehetra. Lasa izao ! », hoy ny Antoko HVM tao anatin’ity fanambarana ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap