mpanorina azy dia ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina fa mila mamorona firenena tsara fototra isika.Tsy maintsy firenena manana toekarena matanjaka sy rafi-pampandrosoana maharitra no hapetraka raha te-handroso. Marika iray hametrahana ny fitiavan-tanindrazana ny fanajana lalàna ka ny mpitondra no modely voalohany, eo ihany koa ny fanajana ny fihavanana ary indrindra ny demokrasia izay mihemotra amin’izao fotoana izao. Mila fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara satria io no fototra voalohany hoetina hampandrosoana. Sehatra iray hafahana mandinika ny raharam-pirenena ny antoko politika ka miantso ireo mpikambana HVM rehetra i Hery Rajaonarimampianina mba hametraka fijery alavitra sy hemerina ny soatoavina ary hanadihady. Nanamafy ny HVM tamin’ny alalan’ny Filoha nasionaliny Rivo Rakotovao, fa mikorosy fahana ny fitondrana, miampanga ireo miteny ny tsy mety ho mpanakorontana ny Fanjakana. « Sao dia mitondra Firenena ho an’ny olona vitsy an’isa ianareo. Tsy manenjika mpandraharaha, fa ny HVM tsy manenjika mpandraharaha , manosika ny fandraharahana malalaka, manosika ny Fanjakana fa hanatsara ny tontolon’ny fandraharahana. Tsy miombon-kevitra kosa amin’ny Fanjakana miditra amin’ny fiarovana tombotsoana mpandraharaha vitsivitsy hamono ny mpandraharaha betsaka eto amin’ny Firenena », hoy i Rivo Rakotovao. Naneho fa mijoro sy mamporisika ny Fanjakana mba hitodika sy tena hijery ny tombotsoan’ny Firenena ny HVM. Nanaitra ny Filoham-pirenena hijery ny tena fahoriam-bahoaka, ka nanipika fa tsy ny Filoha no tsy tiana fa ny fomba fitantanana. Nampahatsiahy fa raha nitsangana tamin’ny 2019 ny HVM, dia nanolo-kevitra hanamafy ny tolotra ara-toekerana ato anatiny hanampiana ireo tantsaha sy ireo orinasa mandalo fahasahiranana noho ny zava-misy eran-tany. Nanamarika fa efa nanomboka nijery ireo firenen-dehibe fa hijery ny ao anatiny, ary mbola nampian’ny coronavirus. Tsy nisy fihainoana…
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,