hoy izy, ny fandraisan’ny olona ny antoko Maitso sy ireo mpandrindran’ny antoko manerana ny nosy izay midina eny ifotony izay mba afaka nanazava ny antom-pisian’ny antoko, ny tarigetrany, ny ho entiny eto amin’ny firenena. Ny faritra vita hatreto dia iny Androy iny, ny Atsimo atsinanana, Avaratra saingy mbola tsy maintsy hiverenana hatrany moa ireo toerana ary tsy maintsy omena sakafo ara-poto-kevitra. Mivalampatra mandrakotra an’I Madagasikara manontolo ny antoko. Tsy maintsy ho tetezina ny faritra rehetra. Mifototra amin’ny tany, rano, tontolo iainana ny antoko Maitso. Foin’Andriamanitra hiara-hiaina ny olombelona sy ny zavaboary. Tsy maintsy mifanaja ireo raha tsy izany tsy mirindra ny fiainantsika zanak’olombelona. Manomana kaongresy ho atao any amin’ny volana martsa 2023 any izahay izao. Mitsipaka izany fikaonandoham-pirenena izany ny Maitso satria lanim-bahoaka voafidy tamin’ny fomba ofisialy ity fitondrana ity ary eken’ny fiarahamonim-pirenena manerana izao tontolo izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Alexandre Georget
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny