Tsy mitondra vokantsoa ho antsika izany heritreritra haka fanjakana amin’ny alalan’ny korontana izany, hoy izy. Tsy hekenay sahady ihany koa izany fikasana hanao “ni…ni” izany. Tsy mankasitraka fandravana governemanta koa izahay satria hanova zavatra maro izany. Izay te hiala anaty fitondram-panjakana dia aleo hiala fa izay te hijanona kosa dia hampanaovy fanekena 3 na 6 volana fara-faharatsiny hanatanteraka tetikasa manome lanja ny sosialim-bahoaka amin’izay ao anatin’izao fe-potoana faran’ity fitondrana ity izao satria tena sahirana ny vahoaka. Manohana ny fahaizan’izao fitondrana izao maka lesona tamin’ny lasa izahay. Tokony afantoka amin’ny sosialy ny asa faraparan’ity fitondrana ity. Ny vahoaka moa no mijery avy eo hoe namaly ny hetahetan’izy ireo ve ilay fitondrana sa tsia, hoy hatrany ny AMEMAD?
J. Mirija Legende: Ny filohan’ny AMEMAD Atoa Liva Razafitsiferana
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,