airtel

Politique

03-nov-2022

Politique

Antoko politika Avana “Tsy mila korontana intsony i Madagasikara”

Sample post image

10 taona izay no nitsanganan’ny antoko politika Avana na Antoko vahoaka aloha no andrianina, hoy ny filoha mpanorina azy, Dr Jean Louis Robinson.

03-nov-2022

Nandresy tamin’ny fiodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena ny antoko tamin’ny taona 2013 satria nahazo teo amin’ny 21% mahery, hoy izy. 15% tany ny an’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nifamadika moa ny zava-nisy tamin’ny fiodinana faharoa ka na dia maro aza no niteny hoe andao hanao an’izao sy izao dia nanara-dalana nanaiky ny didin’ny fitsarana isika. Teo foana ireo mpikambana tao anatin’izay 10 taona izay ary hiatrika kaongresy fahatelo izao ny antoko. Ny 4 sy 5 novambra 2022 izao no atao izany. Iantsoana ny solontena miisa 3 isaky ny faritra izany satria marobe isika mpikambana. Aza tezitra izay tsy voaasa fa mbola ho avy ny fitetezam-paritra. Ho ambara mazava amin’io fotoana io ny ideolojian’ny antoko satria noresahana hatramin’izay ny hoe tsy mila korontana, malagasy mifamono izahay ary izay no nanekenay iny valim-pifidianana iny. Ambara mazava koa hoe inona no hatao ao anatin’ny tarigetra sy vina anatin’ny 5 taona manaraka. Ho resahana amin’io koa ny Avana sy ny fifidianana hoavy ary ny hetahetan’ireo mpikambana manerana ny faritra. Ho ambara mazava fa manara-dalana ny antoko ary tsy mila korontana intsony I Madagasikara, hoy hatrany ny antoko politika Avana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap