airtel

Politique

30-mai-2024

Antoko politika Fanare

«Ampy izay ny fampijaliana vahoaka!»

Sample post image

Ampy izay ny fampijaliana vahoaka, hoy ny antoko politika Fanare! Mbola vazaha

30-mai-2024

ny filoham-pirenena, hoy ny filohan’ity antoko ity, Andrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis. Fifanaraham-piarahamonina na hoe «contrat administrative» sy «contrat social» iny fifidianana nahatonga an’i Andry Rajoelina ho filoham-pirenena iny. Fifanarahan’ny vahoaka malagasy sy ilay kandida iny. Andry Rajoelina nefa nanafina hoe vazaha izy. Amin’ny fifanarahana rehetra na «contrat» dia nisy fitaka tao. Izay ilay antsoina hoe «dole». Ny dikan’izany dia tsy azo raisina iny fifidianana iny. Aminay Fanare dia tsy filoham-pirenena malagasy mihitsy i Andry Rajoelina ny taona 2018. Hitantsika koa amin’izao fotoana izao fa be dia be ny herim-politika mandà hoe tsy filoha izy nefa moa dia mipetraka eo ihany izy. Mandidy izy hoe andao hanao fifidianana depiote dia manao daholo! Hafahafa amin’ny Fanare izany. Izay no nahatonga anay tsy nampirisika io fifidianana depiote io. Tsy hanao izany fifidianana izany mihitsy koa ny Fanare satria tsy vahaolana io. Matahotra anay mpanao politika foana ianareo sendika nefa tsy maintsy miaraka amin’ny mpanao politika raha tiana ho voavaha ny olana eto amin’ity firenena ity. Tsy maintsy miara-miasa! Ny taona 1991, nihetsika ny mpianatry ny fakiolten’ny fitsaboana na «médecine» dia nisy ny mpanao politika dia niara-niasa. Hiodinkodina hanao fifidianana eto foana isika nefa avy eo tonga any amin’ny HCC ny fitarainana rehetra, valiny, «Azo raisina fa tsy mitombina» dia izay foana ve no ho atao? Raha sanatria misy ny fanakantsakanana izao dingana ataon’ny Fanare izao dia io efa nandefa taratasy fiantsoana fanohanan’ny vondrona iraisampirenena io izahay, indrindra, ny rosianina sy indonezianina. Anaty Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM moa ny Fanare. Nangataka fanampiana tany amin’ny USA ny vovonana Firaisankina. Ny filoha Ravalomanana mihitsy no niteny izany. Maninona moa izahay Fanare no diso raha mangataka fanohanana amin’ny rosianina sy indonezianina? Samy firenena matanjaka ireo. Tsy fianakaviantsika malagasy fotsiny ny indonezianina fa tany amin’ny taona 1980 na 1960 tany dia nisy ny atao hoe «Groupe des pays non alignés» na Vondron’ireo firenena tsy miandany. Isany nanangana izany i Inde sy Indonezia tao anaty ady mangatsiaka na «guerre froide». Tsy momba ny atsy na ny aroa ny tena dia mankany amin’ny indonezianina sy rosianina. Raha misy fanakantsakanana ny asan’ny Fanare dia tena hiantso ny vahoaka na firaisamonim-pirenena, na ny vahoaka tratry ny delestazy na ny mpianatra tsy mahazo vatsim-pianarana ny Fanare hoe andao hiaraka fa tsy ekentsika intsony ny hampijaliana amin’izany, hoy hatrany ny Fanare!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap