airtel

Politique

12-avril-2023

Politique

Antoko politika Fanare «Tokony hanasonia fifanekena ny mpanao politika»

Sample post image

Mila tanterahana ny fifidianana lalàmpanorenana, hoy ny antoko politika Fanare. Tsy fitsapan-kevi-bahoaka io, hoy ny filohan’izy ireo, Andrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis,

12-avril-2023

fa tena fifidianana lalàna dia izay lalàna maharesy no ho entina hatao fitsipi-dalao hitondrana koa ny fifidianana. Marina fa tsy anjaran’ny mpitondra fivavahana ny miteny amin’ny mpitondra fanjakana hoe mialà ianareo! Na Jesoa Kristy aza niteny hoe omeo an’i Kaisara izay an’i Kaisara nefa ny raomanina tamin’izany mpanjanaka. Manaraka ny tenin’ny lehibeny ny mpitondra fivavahana matoa tsy manongam-panjakana fa izaho tenako kosa raha mahazo fitondrana dia tsy mampaninona ahy ny miala rehefa ho tenenin’ny FFKM hoe mialà raha ohatra ka tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny ataoko. Amin’io fikaonandoham-pirenena ho tarihin’ny FFKM io dia tokony hanasonia fifanekena ny mpanao politika sy antoko politika rehetra hoe «Hanaiky hiala izahay rehefa asain’ny FFKM miala». Mitady fikaonandoha andraisan’ny rehetra anjara ny vondrona iraisampirenena. Ny Rodoben’ny mpanohitra kosa dia hoe rehefa tsy hanao ny fitondrana dia ho ataonay. Miandry isika, hoy hatrany ny Fanare.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap