sy ny antoko politika Fihavanantsika ireo kandida miisa 13, ny fitondram-panjakana, ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena. Ny fitondrana am-bavaka ny malagasy rehetra ho any amin’ny fibebahana, ny fifamelana, fihavanana ary indrindra ny hisian’ny fifidianana marina sy mangarahara ary madio sy eken’ny rehetra, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, ny kandida ho filoham-pirenena, Lalaina Ratsirahonana, no natao. Tanjona ny tsy hahatafiditra ny malagasy anaty fifandonana, hoy izy. Malagasy mifankatia sy miray hina hampandroso ity firenena ity no ilaina ary izay no anton’ny antsonay hoe andao hifamela isika! Andao hihavana! Izay no anton’ny hoe andao hiresaka sy hifampihaona! Kristy no fihavanantsika! Tany no natononay voalohany, noho izany, ary mino izahay fa ho henoin’Andriamanitra ny vavaka nasandratra ary mino izahay fa ho avy ny fotoana hanehoan’Andriamanitra ny voninahiny eto amin’ity firenena ity! Mbola manokatra ny varavarany koa moa ny FFKM. Malagasy miray hina no hampandroso ny firenena, hoy hatrany ny antoko politika Fihavanantsika.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,