airtel

Politique

07-juin-2024

Antoko politika Fiombonana

«Anjaran’ny CENI no maka toerana tsy hisian’ny korontana eto»

Sample post image

Fomba fanao politika nisy tany aloha teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no mbola hita hikirakirana

07-juin-2024

ny voka-pifidianana ankehitriny, hoy ny antoko politika Fiombonana. Tsy mipetraka amin’ny maha mahaleotena azy ny CENI fa misy foana ilay tsindry na «influence» na koa hoe « main invisible d’une personne», izany hoe tanana tsy fantatra any ambadimbadika any tsy hitan’ny mpanara-baovao, hany ka lasa manova ny vokatra tena izy hita teny ifotony, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko, Durlin Retogniane. Izay no hanairana ny tomponandraikitra anivon’ny CENI amin’izao fotoana izao satria raha izay no tantara nisy teo anivon’ny fifidianana teto Madagasikara dia azon’ny CENI atao tsara ny maka lesona tamin’ireo fifidianana nisy teo aloha. Azony atao tsara ny manome maodely tsara izay handimby toerana azy. Hitantsika fa mifampiampanga ny andaniny sy ankilany. Manome tsiny ny kandidan’ny vovonana Firaisankina ny kandidan’ny vovonana IRMAR. Ny avy any amin’ny Firaisankina koa manome tsiny ny vovonana avy amin’ny fitondrana. Very tanteraka manoloana ny mety ho vokatra vonjimaika ho avoakan’ny CENI izany ny mpanara-baovao. Anjaran’ny CENI, noho izany, no maka toerana na «position» tsy hisian’ny korontana eto Madagasikara. Tokony hijoro amin’ny maha rafitra andrin’ny lalàmpanorenana koa ny HCC satria mety betsaka ny andininy voahitsakitsaka ao amin’ny lalàmpanorenana. Tokony hijery izany amin’ny fo tsy miangatra ny HCC. Rehefa ny tombontsoam-pirenena no jeren’ny HCC dia tokony hampandeferina ny fitiavan-tena manokana, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap