indrindra, aorian’ny fifidianana satria ny aoriana no tena atahorana. Eo ihany, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Durlin Retogniane, ny fitakian’ny antoko politika samihafa ny amin’ny hisokafan’ny governemanta amin’ireo hery politika misy eto amin’ny firenena fa azo heritreretina ny hahafahana manova governemanta. Tsy misy manakana antsika amin’izany satria efa niainana izany tamin’ny fitondrana farany teo izay nitondran’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa aoka kosa mba governemantan’ny fisokafana amin’ireo tekinisianina tsy misy hidiran’ny politika fa tena anatin’ny tsy fiandaniana hikarakara fifidianana. Toy izany koa no takiana amin’ny CENI. Enga anie koa mba ho tekinisianina tsy miandany no handrafitra ao. Hitantsika fa ahitana olona manohana fitondrana ankehitriny ao izao. Mpikamban’ny birao mihitsy. Azo heritreretina koa ny manova ny mpikamban’ny HCC. Tanjona anatin’izany foana ny tsy fiandaniana. Rehefa io kosa no anto-bola na “caution” tapaky ny governemanta dia andao ekentsika miaraka. Aoka ho olona mahafeno ilay fepetra napetraka marina kosa no ho raisin’ny HCC ny firotsahan-kofidiany! Hisokatra izao alarobia 23 aogositra izao ny fahafaha-mametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena. Ny antoko politika kosa dia manana ny fiainany manokana ka ho an’ny Fiombonana manokana dia hoavy ny kaongresy hifidianana izay tapaky ny antoko ho arotsaka ho fidiana. Kandida heverin’ny antoko fa mahafeno ny fepetra hahafaha-manatanteraka ny vinan’ny antoko no ho fidiana ao anatin’izany, hoy hatrany ny sekretera jeneraly. Araka ny fanampim-baovao voaray moa dia ny 3 septambra izao no hanatontosana ny kaongresin’ity antoko ity ka mpikambana miisa 3 no ho fidiana hirotsaka eo amin’izay hazakazaka mankeny Iavoloha izay. Isan’izany ilay mpandraharaha sady solombavambahoaka misahana ny faritanin’Antananarivo eo anivon’ny antenimieram-pirenena, Papasolo na Honoré Rasolonjatovo.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,