airtel

Politique

12-nov-2024

Antoko politika Fiombonana

«Niaiky ny Filoha fa very ny fahamarinan-toerany»

Sample post image

Marina ny tenin’ny filoham-pirenena hoe tsy misy firenena afaka handroso

12-nov-2024

raha tsy misy fitoniana, hoy ny antoko politika Fiombonana. Ny fahafahan’ny fitondrana mitondra vahaolana amin’ny olana ara-tsosialy sy toekarena amina firenena iray nefa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, no afaka hitondra fitoniana. Mandalo fotoan-tsarotra izao, hoy izy, isika eto Madagasikara, indrindra amin’ny resaka krizina angovo na «crise énergétique». Ny fahasahiranana amin’ny lafin’ny herinaratra eto no miteraka olana amin’ny famatsiana rano, indrindra, ho an’ny any ambanivohitra. Izay no miteraka tsy filaminana ho an’ny malagasy. Betsaka ireo malagasy monina eto Antananarivo, indrindra indrindra, no nidina an-dalambe naneho ny tsy fahafaliany satria leo ilay fampanantenana isan’andro, isaky ny 1 minitra. Tsy propagandy intsony ny filoham-pirenena izao no manao fampanantenana fa anaty fotoam-piasana. Nampanantena hitondra vahaolana izy nefa izao dia fampanantenana amina vahaolana mbola hoavy indray no hampanantenany ny vahoaka raha zohiana ny valan-dresaka nataony tamin’iny alin’ny alahady iny. Izany 2025 izany dia mbola amin’ny taona hoavy. Ny olona anefa anaty fahasahiranana sy fahasorenana tanteraka amin’izao fotoana izao. Hahandry an’ilay 2025 ve ireo? Aza adino fa herinandro vitsivitsy isika dia hiditra anaty fotoanan’ny fety. Betsaka ireo olona mila herinaratra mba hitadiavam-bola. Tafiditra anatin’izay ny resaka taovolo, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena ihany. Ao koa ny resaka «Cyber», ny fanefena vy na «soudure», ireo toerana fisakafoanana samihafa mila mitahiry vokatra anaty fotoana lavalava. Ny fahatsapàn’ny filoham-pirenena fa efa tsy izy intsony izany ny olana ara-drano sy herinaratra izay andalovan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao no nahatonga iny tafa nataony iny. Tena niandrandra vahaolana eo noho eo na «dans l’immédiat» ny olona. Tsy hita taratra nefa izay. Ilay mpamingana eo ihany fa ianao nanambara ianao no raiamandreny voalohany eto amin’ny firenena. Nidina an-kianja ianao. Nahatsapa ny olana dia nanome baiko. Tokony hanaraka ny baikonao ny tomponandraikitra isan’ambaratonga. Inona izany no manakana anao tsy hanala ny tomponandraikitra tsy nanatanteraka baiko? Azo atao tsara ny manala an’izany amin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra. Notendrena ireo olona ireo ka sarotra ho an’ny olona nitady toerana ny hametra-pialàna. Tsy nisy olona nesorina nefa vao tapitra ny baikon’ny filoham-pirenena hoe tsy tokony hisy delestazy amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 10 alina tamin’iny dia vao mainka nirongatra ny delestazy. Ny tetibolan’ny fampianarana indray no nanesorana. Iny tafa nataon’ny filoham-pirenena iny dia midika fa efa niaiky ny filoham-pirenena fa very ny fahamarinan-toerany na «crédibilité» eto anivon’ny firenena. Raha olana ara-tekinika iny dia maninona no tsy tomponandraikitra ara-tekinika eo anivon’ny JIRAMA no nanao ilay valandresaka nanazava ny zava-misy tamin’ny vahoaka malagasy na ny tale jeneralin’ny JIRAMA na ny minisitra voakasik’io sehatra io? Maninona no tsy ny praiminisitra fa ny filoham-pirenena mihitsy, hoy hatrany ny Fiombonana?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap