anatin’izao vanim-potoana fanomanana fifidianana filoham-pirenena izao dia mampahatsiahy fa ny fifidianana ihany no lalan-tokana eken’izao tontolo izao entina manendry izay filoha hitondra firenena. Izany dia ao anatin’ny fanajana ireo fepetra napetraky ny lalàmpanorenana sy ny lalàna isan-tokony, hoy ny antoko. Efa mandray ny andraikiny rahateo ireo rafitra misahana ny fanomanana sy ny fandavorariana ny zotram-pifidianana. Efa maro ny dingana vita ankehitriny. Anatin’izany ny fanavaozana sy fanadiovana ny lisitry ny mpifidy. Ny fikarohana ny enti-manana hanatanterahana ny fifidianana. Ny fandraisana ny antotan-taratasin’ireo maniry hirotsaka ho fidiana dia efa fantatra ankehitriny ireo kandida miisa 13 nampiseho fahavononana hifaninana amin’izany ary efa tontosa ny fisarihana ny laharan’izy ireo anaty bileta tokana. Efa mandeha koa ny fanotana bileta tokana any Afrika atsimo. Mampiseho ireo fa tsy hiverin-dalana intsony isika fa efa hiroso amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny daty efa voatondro. Ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara dia mankahery sy mampirisika ireo rafitra mpanomana ny zotram-pifidianana amin’ny ezaka ataony mba hisitrahan’ny vahoaka malagasy fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra. Miantso ny mpanao politika isan-tokony mba tsy ho sakana amin’ny firosoana amin’ny fifidianana. Hamela malalaka ny vahoaka malagasy hisitraka ny zony hifidy izay tiany hitondra azy. Anjaran’ny olompirenena tsirairay no maneho ny safidiny. Tany demokratika i Madagasikara ka tsy azo sakanana na avily lalana ny safidin’ny vahoaka malagasy. Miantso ny rehetra ho tony sy hiala amin’ny fiantsiana na amin’ny endriny inona na inona izay mety hitondra any amin’ny savorovoro na korontana. Miantso ireo mpifaninana haneho fitondran-tena fitaratra ho an’ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Ny fampielezankevitra no hanehon’ireo kandida ny vinam-piarahamoniny sy politika ankapobeny hitondran’izy ireo ny firenena raha lany soa aman-tsara izy ireo. Tokony atao anaty fifanajana sy fanajana lalàna manan-kery izany fampielezankevitra izany. Ny hevitra sy vina no ampiadiana fa tsy ny malagasy, hoy hatrany ity antoko politika ity.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,