airtel

Politique

21-août-2023

Politique

Antoko politika Marina Hanohana kandida manam-pahendrena…

Sample post image

Nifarana ny sabotsy teo tetsy amin’ny Astauria Antanimena ny kaongresin’ny antoko politika Marina izay

21-août-2023

nanavaozana ny birao mpitantana ity antoko ity ho amin’ny 5 taona manaraka. Mikasika ny raharaham-pirenena, hoy ny filoha nasionaly vaovaon’ny antoko, Désiré Ranaivoson, dia tsy ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika ihany fa hoy izahay hoe aoka tsy ho zohy fieren’ny jiolahy ny rafi-panjakana eto Madagasikara! Taloha, hoy izy, raha ny mpitondra fanjakana no manao tsy ara-dalàna dia ny azy no mafy indrindra noho ny an’ny olon-tsotra ny sazy satria efa omena fahefana, tombontsoa, sahaza azy izy mbola manao zavatra hafa ihany, noho izany, avo kokoa ny sazy sahaza azy mihoatra ilay olon-tsotra tsy manana an’izay. Izay no mahatonga ny antoko Marina hilaza hoe andao haverina ny fahendrena malagasy. Mikasika ny kandida filoham-pirenena dia ny fotokevitray no mamaly azy hoe “Ny firenena ho tafarina raha manohana olo-marina!”. Tsy miteny izahay hoe olona tonga lafatra tsy misy pentina fa fara-faha keliny olona manaja soatoavina sy fiarahamonina ary manam-pahendrena sy manam-panahy no tokony hapetraka hitantana ity firenena ity. Tsy vitan’olona iray io. Nizara fanampiana ho an’ny traboina izahay ny taona 2008. Tsy nisy olona nitaraina na iray aza tamin’izany teo amin’ny faritra Soavimasoandro satria ny antony nasaina nalain’ny sefo fokontany hatramin’ny isan’ny olona traboina isan-tokantrano.Tsy nisy na Ariary niodina fa novakiana teo ny vola lany. Ankehitriny misamaritaka ny olona satria tsy matoky intsony ny fahamarinan’ilay fitondrana ny tany sy ny fanjakana. Tsy maintsy hifampiresaka izahay hoe iza ilay hamerina ny soatoavina malagasy, hahafahana mamoaka fanapahan-kevitra mampanakarena ny malagasy fa tsy olom-bitsy? Rehefa hitanay fa manjaka ao ny hevitry ny Marina dia efa fandresena ngezabe ho anay izahay na dia tsy voatery hitovy 100% amin’ny hevitray aza, hoy hatrany ny Marina.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap