airtel

Politique

05-déc-2023

Antoko politika Marina

“Tsy tafavoaka isika raha tsy teny ierana”

Sample post image

Mametraka foana ny antoko politika Marina, hoy ny filohany, Désiré Ranaivoson,

05-déc-2023

fa raha tsy ny malagasy manontolo no mifanome tanana dia sarotra be ny hampandroso ny firenena. Hitantsika, hoy izy, fa tamin’ny fifidianana farany teo dia vitsy ny olona nifidy. Ty tena manome aina ny fiainam-pirenena no dikan’izany ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao ary sarotra be ny mampandroso firenena anatin’izany tontolo izany. Tsy tafavoaka isika raha tsy teny ierana no enti-mandamina ny firenena. Tsy hahafeno ny fepetra ahafahany mitondra fampandrosoana na tafapetraka aza ny filoham-pirenena vaovao rehefa tsy misy zavatra iombonan’ny malagasy. Mila mifampiresaka ny malagasy manontolo. Mety hisy fifidianana hoavy ka tsy mbola hisy fanantenana raha mbola tsy mifampiresaka ny malagasy. Tsy resaka fifidianana fotsiny no tokony hifampiresahana eto amin’ny firenena fa fifampitondrana mihitsy eo amin’ny samy malagasy. Tsy voatery resaka seza na lalàm-pifidianana satria ny mpanao politika izao no mety ho liana amin’izany fa tokony jerena koa hoe inona no hetahetan’ny sokajin’olona samihafa? Ahoana ny rafi-panjakana tokony atao na rafi-pitondrana tokony atao? Sao dia mba tokony ialana amin’izay ny hoe olona tsy manana fepetra tokony hitana toerana iray nefa mibahana izany noho ny antony politika? Tokony misy fahaiza-manao takiana ka ankoatran’ny lafiny politika dia tokony handeha aloha ny fahaiza-manao. Rehefa tsy manana fahaiza-manao dia tsy tokony omena toerana satria manimba firenena! “Méritocratie” na fanomezana andraikitra izay mendrika no tokony atao fa tsy akamakama na “copinage”, hoy hatrany ny antoko politika Marina.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap