Io, hoy izy, no mampiavaka antoko na vondron’antoko. Mitondra vinam-piarahamonina izy, praograman’asa hoe ireto no endrika fampandrosoana hitondranay ny tany sy fanjakana. Ny mpitondra amin’izao izany dia nametraka hoe ny anay IEM no hitondranay azy dia lasa PEM izy izay dia hoe manao izy ny fampiharana izay politikam-pampandrosoana izay. Anjaran’ny rehetra no manao tombana hoe mahomby ve sa tsia ilay izy? Ny an’ny antoko Marina moa dia refesiny amin’ny hoe inona no tsapan’ny sarambabem-bahoaka ny fahombiazan’ny politikam-panjakana? Matoa mbola mipetraka izao ny olana dia mbola tsy 100% ny fahombiazan’ny politikam-panjakana. Ny antoko Marina dia mipetraka foana amin’ny foto-pisainana malagasy. Mametraka izahay ny hoe misy fahaiza-manao malagasy be dia be tsy voatrandraka eto Madagasikara. Vao haingana aho izao no nahita tamina fandaharana amin’ny fahitalavitra hoe manam-pahaizana amin’ny resaka angovo, herinaratra malagasy afaka manamboatra milina iray mamatsy distrika iray. Asa tanana malagasy, vita malagasy ary tsy voatery miandry fanampiana avy any ivelany. Fa maninona no tsy atosika ny fahaiza-manao malagasy? Izany no atao hoe fampandrosoana. Fahaizanao mamolaka sy mampiasa ny zava-misy ao an-toerana hisian’ny fahatsaram-piainan’ny mpiara-monina. Ny tara na “goudron” izao io natao handehanan’ny fiara amin’ny arabe, ny vazaha no namorona azy. Izany no tokony fikarohana atao eny amin’ny ambaratonga ambony hoe eto Madagasikara ve misy akora azo ampiasaina handehanan’ny fiara fa tsy voatery hanafatra “goudron” avy any ivelany? Izany no fikarohana tokony ataontsika fa misy manao ve nefa izany izao? Toy izay koa ny angovo. Misy manam-pahaizana malagasy afaka mitondra vahaolana ara-tekinika, ara-pitantanana izay mety tsy voatery handaniana volabe na andrasana famatsiana. Fanontaniana tokony hipetraka voalohany manoloana ny olana izay mitranga izany dia hoe misy malagasy ve mahita vahaolana? Misy zavatra azo trandrahana ve eto Madagasikara hamahana an’io? Rehefa tsy misy intsony ato izay isika vao hoe andao aza sao dia misy zavatra ampiasain’ny any ivelany? Ny antsika vao misy mitranga dia hoe andao hihindram-bola, andao hanafatra na olona io na fitaovana. Vahaoka sisa tsy afarana. Miantehitra loatra amin’ny any ivelany ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Désiré Ranaivoson
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,