airtel

Politique

03-nov-2022

Politique

Antoko politika mitaky fikaonandoham-pirenena “Tokony hivondrona hiteny amina feo iray”

Sample post image

Lakana voizina amina fivoy tapaka izany fikaonandoham-pirenena tsy handraisan’ny fitondram-panjakana anjara izany, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Fiombonana.

03-nov-2022

Tsy ho tonga lavitra izany, hoy izy ireo, satria raha heritreretina hoe tokony ho ny fitondram-panjakana no lohalaharana amin’ny fanomanana izany dia lasa ry zareo avy aty amin’ny RMDM indray izany no hialoha lalana. Ilaina foana nefa ny faharisihana toy ireny eto amin’ny tany sy ny firenena mba hanairana ny fianakaviambe iraisampirenena ohatra na azo heritreretina koa ny mpitondra fanjakana. Matoa nefa tsy taitra amin’io ny fitondram-panjakana dia efa misy kajikajy politika mandeha any ambadimbadika any. Izay no mety mampiahiahy ny RMDM ka nahatonga azy ireo hikarakara ity fikaonandoha ity na dia tsy ao aza ny fitondram-panjakana. Tokony hivondrona hiteny amina feo iray ny antoko politika rehetra mitaky ilay fikaonandoham-pirenena satria ny mampalahelo dia samy manao fanambarana manokana daholo. Hisy lanjany kokoa anefa rehefa iray ny feo. Tsy ho tonga lavitra io rehefa tsy mandray anjara ny ao anaty fitondrana, hoy hatrany ny Fiombonana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap