tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Antoko politika MMM “Anananay porofo fa mbola mandray anaran’olona ny CENI”

Nantsikafon'ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM ny fomba fiasan'ny CENI amin'izao fotoana izao.

08-févr-2023

Sample post image

Nohitsin'ny mpitondra tenin'ny MMM, Rakotomalala Rija, ny fihoaram-pefy ataon'ity rafitra mpikarakara fifidianana ity. Tokony hanara-dalàna ny Ceni. Tsy voahaja anefa izany. Heno sy hita ary anananay porofo fa mbola mandray anaran'olona amin'ny lisitry ny mpifidy izy ireo izao, hoy izy. Mbola misy olona mameno ny lisitra anaty karne sy mandray anarana any nefa efa tapitra ny fe-potoana tokony hanaovana izany fa efa eny anivon'ny fokontany indray izao no tokony handraisana izany, hoy hatrany izy tetsy Analakely omaly. Hiantraika amin'ny fikarakarana lisi-pifidianana sy ny fifidianana izany. Tafiditra ao anatin'izany ny fifidianana filoham-pirenena sy ny eny anivon'ny kaominina. Etsy andaniny, olana efa napetrak'izy ireo koa ny fikirakirakana ny rindram-baiko amin'ny fampidirana ny anaran'ny mpifidy anaty solosaina hiatrehana ny fifidianana roa samihafa. Nokirakirain'izy ireo samirery tao izany ary tsy nanaovana fanadihadiana na "Audit" ilay rindrambaiko ahafahana mijery ny anarana miverimberina na "doublon" na misy tokoa na tsia. Tsy manaraka ny fenitra anefa io fitaovana io, hoy ihany izy. Notsiahivina avy eo fa 37% ny tahan'ny isan'ny mpifidy ny volana desambra teo ary nambara kosa ny janoary teo fa maherin'ny 9 tapitrisa izany izao. Mbola mitady mpifidy hatrany amin'ny 4 tapitrisa mahery izany ny Ceni, vao hahatratra ilay mpifidy 13 tapitrisa. Efa tsy tomombana hatramin'ny voalohany io. Takinay MMM ny mba hanampian'ny fanjakana ny hampanarahana fenitra eo amin'ny fitaovana, ny vola ary koa ny olona, afahan'ny Ceni manao ny asany, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
Legende: Rija Rakotomalala
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus