Amin’ny maha firenena manaja ny soatoavina demokratika an’i Madagasikara kosa, hoy izy ireo, dia zo fototra ananan’ireo vahoaka ao aminy ny maneho hevitra an-kalalahana sy araka ny fitsipika entina hitandrovana ny filaminam-bahoaka rehefa misy ny toe-draharaha mankarary azy. Tsy ekena ny fanohitohinana ny fanehoan-kevitra atao am-pahalalahana sy am-panajana satria na misy aza ny tsy fitovian’ny fomba fijery dia samy te hikatsaka hoavy tsara kokoa ho an’ny Malagasy avokoa isika rehetra. Ny fahasahiranana andalovan’ny firenena sy ny fahantrana hiainan’ny vahoaka malagasy amin’ny fiainana andavanandro dia tsy tokony atao fitaovana entina hanararaotam-pahefana na entina hanankorotanana ity firenena malalantsika ity, hoy hatrany ny MMM. Nanotrona ny tatitry ny depiote Edizard tany Vohemar moa ny filoha nasionalin’ity antoko ity, Andrianainarivelo Hajo, ny sabotsy teo. Mila mifampihaino isika, hoy izy ary maka ny hevitry ny eny ifotony raha te hampandroso ny firenena. Tsy voatery ny hevitry ny any ambony hatrany no hampandrosoana. Isika ety ifotony no mahalala ny mahasoa sy mahatsara. Tsy resaka momba ny olan’ny lavanila manoloana ny vidin’izany ihany manoloana ireo tantsaha fa eo amin’ny fiainam-pirenena koa. Fanovana hataontsika ny mba ho olona mihaino ny ety ifotony no fidiana amin’ny manaraka, hoy hatrany izy. Navoitran’ny depiote Edizard kosa fa famonoana vahoaka ny tsy fihanoana ny feon’izy ireo, momba ny lavanila. Nohitsiny fa tsy izy ny vidin’izany amin’izao fotoana izao ary mbola famotehana ny tantsaha koa izany. Marary ny vahoaka, hoy izy. Ambany ny vidiny ary taraiky ny fivoahan’ny tsenan’ny lavanila manta sy masaka. Ilana vaha-olana maharitra izany ary aoka hofaritan’ny tantsaha ny fotoan’ny tsena, hoy hatrany izy. Notanisainy avy eo ny asa vitan’ny minisitra teo aloha, Andrianainarivelo Hajo tany Sava toy ny lalana sy tranompokonolona.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny MMM, Hajo Andrianainarivelo
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,