fa hatramin’ny nahazoantsika fahaleovantena dia tsy ny sitrapon’ny malagasy no natao teto fa ny an’ny avy any ivelany. Rehefa hoe hijery ny toe-draharaha politika eto ny SADC, hoy izy, dia mampalahelo fa ireo mpitondra nifandimby teto foana no antsoina. Aza adino anefa fa efa nalohan’ny vahoaka ianao matoa tsy anaty fitondrana intsony. Manohana ny hevitr’ireo raiamandreny ara-panahy dia ny FFKM hanao ny fikaonandoham-pirenena izahay. Aleo any no resahana izany sata na «charte» izany fa tsy olona vitsivitsy. Tsy an’olona vitsivitsy na karazan’antoko vitsivitsy i Madagasikara. Nanankorontana teto daholo ireo milaza azy ho antoko politika goavana ireo. Izao dia miantso indray ny FES dia antoko politika miisa 10 no hanao izany hoe «charte de bonne conduite». Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto. TIM sy TGV ihany no manana olona amin’ireo fa ny antoko sasany efa misy tsy hita. Inona moa no mpikambana ifoton’ny HVM? Manam-bola izy dia izay! Tsy misy afa-tsy loholona sy loholona teo aloha dia depiote no ao. Ny an’ny AVI moa dia Norbert Lala Ratsirahonana ihany. Aiza izao izany Leader Fanilo izany? Ny RDS antsoina foana i Fetison Andrianirina fa aiza no mivondrona izany? Tsy misy any ifotony izany. Ny MTS tsy misy afa-tsy Rolland Ratsiraka. Tsy misy afa-tsy ireo ve izany no lohandohany? Fanaovana tsinontsinona ny antoko politika hafa izany ary izay no mahatonga ny fitoniana politika tsy hisy eto Madagasikara. 200 isa mahery ny antoko politika eto Madagasikara ka angatahana ny minisitry ny atitany amoaka hoe ireo no efa nanao fanambarana ny fisiany. Tsy resaka kaongresy ihany no tokony takiana aminy fa hoe aiza no misy azy? Nametraka ny anarany tany amin’ny CENI ny Natiora fa ny mahagaga dia tsy mba voaantso mihitsy rehefa misy fivoriana any, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.