airtel

Politique

17-oct-2022

Politique

Antoko politika Natiora “Misy fifanarahana miafina vaovao indray ao”

Sample post image

Feno 64 taona ny 14 oktobra 2022 teo ny nanasoniavana fa miala anaty fifehezana na “annexion” Frantsay i Madagasikara, hoy ny antoko politika Natiora.

17-oct-2022

Tsy misy maminy ho an’ny malagasy hatramin’izao izany fifanaraham-pihatsarana ivelantsihy izany, hoy ny filohan’izy ireo, Rencho-Mihari-Ni. Fahaleovantena tsy azo tanaty ady no nomena ny malagasy. Fanerena taorian’ny fahavitan’ny ady lehibe faharoa no nanomezan’ny frantsay izany. Na ny hiram-pirenena na ny saina dia nanaovana fifaninanana. Taiza no hisy firenena hatsangana toy izany? Efa niaina izany fanjakan’i Madagasikara izay neken’ny britanika ary nanantsika ambasadaoro izany isika tamin’ny andron’ny mpanjaka Radama I. Nopotehin’ny Frantsay ny kolontsaina Malagasy. Avereno amin’ny malagasy amin’izay ny fitantanana ny firenena! Fotoana hitsanganan’ny malagasy hahatongavana amin’izany firenena manana ny fiandrianany izany izao. Ny mampandroso ny frantsay dia kolontsaina frantsay. Ny Japoney dia japoney. Ny sinoa dia sinoa. Tsy kolontsain’ireo na Amerikanina mihitsy no hampandroso an’i Madagasikara. Mbola ahiana ho misy fifanarahana miafina vaovao indray koa izao ao matoa isika nivadika ho lasa manameloka ny rosianina io, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny antoko politika Natiora
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap