Mila manova toetsaina ny mpanao politika eto Madagasikara, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. Ho fanovana ifotony ny fitantanana eto amin’ny firenena izany. Ny zava-misy iainan’ny malagasy dia tsy mahafeno ny fepetra idirana amin’izany tetezamita izany. Tsy hisy mpitondra fanjakana mihitsy hiteny hoe andao hanao tetezamita! Tsy misy olona efa nahazo famatsiana amina resaka fifidianana na miandry famatsiana amin’izany ka hiteny an’izany. Lojika izany. Lalaovina ny firenena sy ny malagasy. Raha tena tia ny malagasy dia mifampiresaka aloha satria na ny repoblika voalohany nitondrana ny malagasy aza tsy teny nierana taminy. Tia kano tsy tia kano io hoe ity, araka ny lalampanorenana frantsay, dia omena ny fahaleovantenany i Madagasikara. Fikaonandoham-pirenena handraisan’ny rehetra anjara, tsy misy hanavahana, ankehitriny no resahanay. Ny tetezamita izany amin’ity indray mitoraka ity izany dia resaka mankany amin’ny tena fahatsarana. Mihatsara ivelatsihy ny namana mpanao politika. Mody hoe tsy hisy fanonganam-panjakana fa fanjakana miongana. Aza fitahana ny vahoaka. Lazaina fa tompon’ny fahefana izy nefa tsy ny heviny akory foana no nalaina. Inona no tsy hitenenana hoe tetezamita io sa mody ovana anarana hafa indray? Ny antoko Natiora, ny taona 2019, no efa nivonona hanao fifidianana ka tsy resaka tahotra fifidianana mihitsy noho izany no iresahanay izany fa noho ny zava-misy iaraha-mahita, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
Légende : Ny filohan’ny Natiora
Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.
Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.
Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny
Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,
Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara
Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana