airtel

Politique

26-avril-2023

Politique

Antoko politika Ny Fireneko «Apetraho ny rafitra faritany mizaka tena!»

Sample post image

Ny anjara birikin’ny antoko politika Ny Fireneko hatreto dia ny mametraka ny adihevitra politikam-pampandrosoana eto amin’ny firenena, hoy ny filohany, Paul Rabary.

26-avril-2023

Mila manana safidy ho entina amin’ny 60 taona manaraka i Madagasikara, hoy izy. 60 taona izay no vita. Io no vokatra. Matoa betsaka ny kandida nirotsaka ho filoham-pirenena sy ny antoko politika dia tsy nionona tamin’io vokatra io isika fa nitady zavatra. Adihevitra ny politika dia mitondra ny hevitra no atao ahafahana mifanakalo, miady hevitra, mitady ny lalana ivoahan’ny firenena. Zava-dehibe izay saingy adino foana rehefa manao politika. Ny maha maika antsika dia hoe iza no tohanana na ahoana no atao amin’ny lalam-pifidianana, ny lalampanorenana nefa fitaovana daholo ireny. Fitaovana ny fifidianana. Inona no tanjona hampandrosoana ity firenena ity? Ny anjara biriky faharoa dia ny mampianatra sy mitarika ny olona hanao politika amin’ilay politika manan-kasina, manana faka, vahaolana ho an’ny firenena, faritra, kaominina. Tsy miresaka vahaolana intsony ny politika amin’izao fa olona sy fifidianana na fifanarahan’olona, fifandrotehan’olona. Olona hanao inona ary firenena ho entina aiza? Raha azo ny fahefana, ohatran’ny efa hita nataon’ny politika nahazo fahefana teto hatramin’izay, hanaovana inona? Rehefa mandeha ny asa fampandrosoana dia asa fampandrosoana mandiso fanantenana vahoaka satria tsy voadinika sy voarafitra amina tanjona iray. Te hanao politika miavaka izahay ary izany no antony hilazanay hoe tsy mbola fifidianana aloha no resaka. 300 isa ny antoko politika eto fa ny mampiavaka anay amin’ny hafa dia hoe manan-kevitra, mametraka fa tsy tokony hisy korontana io fifidianana io, vonona hifampiresaka amin’ny rehetra, mametraka ny hoe rafitra no zava-dehibe fa tsy olombelona. Izay ady hevitra mivoana amin’izay dia hialanay satria raha niasa be ny antoko politika rehetra tao anatin’ny 60 taona fa izao no vokany dia misy antony izay. Fakana fahefana no tanjona fototry ny fanaovana politika. Tsy hiadian-kevitra iny raha tiana ny hampihatra ny vina tian-katao saingy tsy amin’ny alalan’ny fidinana an-dalambe na fanonganam-panjakana fa amina alalana rafitra demokratika, fifidianana. Hoy izahay hoe apetraho ny rafitra faritany mizaka tena eto Madagasikara fa efa tsy tafavoaka intsony amin’io rafitra fanjakana tokana na «Etat unitaire» io intsony isika, hoy hatrany ny antoko politika Ny Fireneko!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-sept-2023

Handefa iraka manokana eto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena Mikambana, hanara-maso sy hijery ny toe-draharaha

Card image cap
26-sept-2023

Higadona eto amintsika manomboka rahampitso Alarobia 27 Oktobra ny firenena mikambana na ny ONU

Card image cap
26-sept-2023

Tsy maintsy hisy hanaraby ny irak'Andriamanitra, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika!

Card image cap
26-sept-2023

Hamory ireo mpiara-dia aminay ao amin'ny "Palais des Sports" Mahamasina izahay kandida ny zoma ho avy izao,

Card image cap
26-sept-2023

Miha mandroso ny fotoanan’ny fifidianana raha ho voatazona amin’ny 9 novambra ihany satria afaka iray volana roa volana eo dia higadona izany.

Card image cap
26-sept-2023

Distrika 2 ao amin’ny faritry vakinakaratra indray no notsidihin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina ny alahady 24 septembra teo.

Card image cap