airtel

Politique

31-mai-2023

Politique

Antoko politika « Ny Fireneko » Miantso ny rehetra hanao sata ho fitoniana politika

Sample post image

Anatin’ny fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka, hoy ny antoko politika Ny Fireneko omaly. Anatin’ny tanjona ho fiazonana ny firaisam-pirenena,

31-mai-2023

ho fiazonana ihany koa ny fitoniana politika eto Madagasikara, noho ny fahitana fa loharanona hetsi-bahoaka hatrany teto ny fifidianana ary tsy hahazaka korontana intsony ny toekarem-pirenena na koa olana ara-politika ary tsy ho tafarina isika raha mbola misy krizy politika manaraka indray dia miantso ny herivelona rehetra hifanaraka anatin’ny antsoina hoe «satam-pirenena ho an’ny fitoniana politika» na «Charte nationale pour la stabilité politique» ny antoko, hoy izy ireo. Sata izay sady tsy hanolo ny lalàmpanorenana izany. Tsy hampitombo na hampihena ny fe-potoam-piasana voafaritry ny lalàmpanorenana ihany koa. Tsy hametraka tetezamita politika. Tanjon’izany sata izany ny hahafahana mametraka araka ny tokony ho izy fifidianana malalaka, mangarahara, eken’ny rehetra, indrindra, fanajana ireo vokatra ambaran’ireo rafitra voafaritry ny lalàmpanorenana. Mendrika ny tsara kokoa i Madagasikara, hoy hatrany ny Fireneko tao anatin’ny fanambarana izay nataon’izy ireo omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap