airtel

Politique

06-avril-2023

Politique

Antoko politika « Ny Fireneko » «Ny olana eto dia hevitra diso no ampiharina»

Sample post image

Vonona ny hitondra fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny fametrahana fotokevitra sy adihevitra fa tsy

06-avril-2023

fanohanana an’izatsy na zaroa na koa fanoherana an’izatsy na izaroa ny antoko politika Ny Fireneko, hoy ny filohany, Paul Rabary, nandritry ny fampahafantarana ny vinam-piarahamonin’ity antoko ity tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly. Miainga amina fotokevitra dia ny fotokevitra liberaly ny Ny Fireneko, hoy izy. Anjaran’ny CENI no mampihatra ny lalana misy mikasika ny fifidianana. Ilaina ny fifampiresahana amin’ny mpiantsehatra rehetra. Hatsaraina izay tokony hatsaraina. Ny fampiharana aloha no tena zava-dehibe. Lalam-pifidianana efa nampiasaina tamin’ny 2018 no ampiasaintsika amin’izao fotoana izao. Mbola fotoana afaka hanatsarana izao. Ny rafitra tsy misy tonga lafatra fa ny olona ao anatin’ny rafitra no tokony hampiseho fa vonona. Tsy resaka fifidianana anefa aloha ny anio (TTF: omaly). Izay no fahadisoantsika rehetra. Tsy misy afa-tsy resaka fifidianana. Rehefa vita ve izany ny fifidianana dia vita hatreo ny politika? Hevitra sa olona no ho fidian’ny vahoaka? Efa nanandrana ny rehetra isika raha resaka olona fa ny hevitra no adino indrindra. Tsy te hiresaka fifidianana mihitsy izahay amin’izao fotoana izao. Raha hevitra diso tsy ampiharina tsy maninona fa ny olana eto dia ny hevitra diso no hampiharina. Tomponandraikitra amin’izay izany na ny tompon-kevitra na ny mpifidy, hoy hatrany ny filohan’ny antoko. Manome lanja ny fahafahan’ny rehetra miasa ny antoko satria izay no maha liberaly ny fotokevitra liberaly. Izay no vina dia ny hoe «Miara-miasa, miara-mihary, miara-mandroso». Mila mifantoka amin’ny fampandrosoana ny fambolena sy fiompiana ary jono isika satria ireo no hitondra antsika any amin’ny fampandrosoana. Ireo no seha-piharian’ny 80%n’ny malagasy. Mbola tsy resy i Madagasikara ary mbola afaka mankany amin’ny tsaratsara kokoa isika, hoy hatrany ny Ny Fireneko.
J. Mirija
Legende : Paul Rabary, mpitarika ny antoko « Ny Fireneko »
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap