airtel

Politique

19-avril-2023

Politique

Antoko politika Otrikafo «Ho loharanona korontana io fifidianana io raha tsy mailo isika»

Sample post image

Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny biraon’izy ireo etsy Andravoahangy ny birao vaovaon’ny antoko politika Otrikafo izay hiasa mandritry ny 5 taona.

19-avril-2023

Lany ho filoha na mpitarika ny antoko ny sekretera jeneraly teo aloha, Elia Rabevahiny. Marius Randrianatoandro no lany ho lefiny. Dieudonné Randriamiarisoa kosa no lany ho mpandrindra nasionaly ary Henry Randriamirado no mpandrindra mpanampy. Iny koa, hoy ny filoha vaovao, no famaranana ny zaikaben’ny antoko satria nisy ny fitetezam-paritra nataon’ny antoko izay nanangonana ny hevitr’ireo namana tany amin’ny faritra. Ireo renivohi-paritany miisa 6 eto Madagasikara no nanaovana izany nanomboka ny taona 2022 mba hanaovana tsapa-kevitra mikasika ny hitondrana ny 5 taona manaraka. Tsy miova ny fotokevitra na navaozina aza ny fitantanana. Tsy tokony ahemotra ny fifidianana fa tokony hialohavana fifampiresahana, raha ny hevitray hatrany. Mba tsy hahatonga ny fifidianana ho loharanona krizy indray dia asio fifampiresahana aloha! Fiandrianam-pirenena, tsy fiankinan-doha, tany tan-dalana hatrany no filamatray. Mila tan-dalana manomboka any amin’ny mpitantana firenena. Hanolotra kandida ve ny Otrikafo na hanohana na hiara-hiasa? Aloha loatra ny filazana izany raha tsy voavaha ilay olana voalaza teo satria averina foana fa ho loharanona korontana io fifidianana io raha tsy mailo isika, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap