Tafiditra tao anatin’izay, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny, ny renivohitry ny faritra Atsimo andrefana. Isan’ny adihevitra mafana ao moa ny resaka Base Toliara sy Bas Mangoky, hoy izy. Ny fandalovan’ny rivodoza tany an-toerana moa no antony nandalovan’ny filoham-pirenena tany. Tsy ny olon-drehetra no tafapetraka na natao tafapetraka amin’izany toeran’ny filoham-pirenena izany fa isan’ny niangaran’ny vintana andriamatoa Andry Rajoelina matoa tafapetraka eo. Tokony mba lanjalanjainy, noho izany, na ny fihetsiny na ny zavatra lazainy imasom-bahoaka. Filohan’ny malagasy rehetra ianao. Nanaitra ny be sy ny maro ny naheno ny filazàny fa ireo olona tsy mankasitraka ny fomba fitantanany na mitsikera izany dia lazainy fa mivovoa. Tsy misy olombelona mivovoa fa mazava izany hoe ampitovian’i Andry Rajoelina amin’ny alika ny tsy mitovy hevitra aminy. Nisy mpiray tanindrazana namoaka voambolana hoe JIRAMAn-doza teto fa fonja no niandry. Satria ve filohan’ny repoblika ingahy Andry Rajoelina dia tsy azo kitikitihana na dia milaza ny tsy mitovy hevitra amin’ny ho alika aza! Marina fa be loatra ny tsindry na «pression» mahazo ny filoham-pirenena vokatry ny fahantran’ny firenena, ny tsy fahombiazan’ny fitantanany nefa dia izy sy ny tsy fahaizany mamaha olana ihany no mahatonga ilay firenena hihitsoka tahaka izao. Izany no midika fa ampy ny fepetra hahafahan’ny mpiray tanindrazana mandray fepetra hanovàna indray ny fiainan’ny firenena. Inona no tokony hitehafana amin’ny fizaràna vary 1 gony sy ny tahaka izany nefa asa mahazatra tokony ho ataon’ny fitondràna rehefa misy traboina izany? Afaka hanonitra ny fahavoazan’ireo mpiray tanindrazana ve ny vary 1 gony sy vola 100.000 Ariary? Isan’ny nandrandrain’ny Otrikafo tamin’ny fandalovan’i Andry Rajoelina tao Toliara ny olana mahazo ny faritra atsimo, ny olan’ny harem-pirenena izay kasain’ny Base Toliara trandrahana any. Nanaitra anay kosa ny fihetsiky ny Justice et paix izay nanao fifanarahana tamin’ny Base Toliara. Milaza ho mipetraka ho arofanina mba tsy hahafahana manala ireo mponina amin’ny taniny moa izy ireo. Tokony mba alaina ny hevitry ny andaniny sy ankilany. Tena nanontany ireo mponina tsy manaiky an’io ve ny Justice et paix? Efa sady manao ny ataony ny fitondràm-panjakàna nefa ny fiangonana neverina ho hiantsampazana no miditra amina fifanarahana tahaka izany. Tsy tokony hanao mizàna tsindrian’ila ny Justice et paix fa maka ny hevitry ny rehetra! Manjary lasa voafahan-dalitra ny fiangonana Katolika, hoy hatrany ny antoko politika Otrikafo.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,