Raha mandeha araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny na Rabe Otrikafo, dia hiatrika fifidianana miisa 2 isika amin’ity taona ity. Fifidianana filohan’ny repoblika, ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna. Raha izao rivotra politika mitsoka izao sy ny rivotra sosialy manoloanan’ny fikaikaikan’ny mpiray tanindrazana amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana anefa dia hoy izahay hoe sarotra ny hiheverana fa ho tody any amin’ny fifidianana 2023 isika satria mbola ho aritry ny vahoaka malagasy ve izao fahantrana izao mandra-pahatongan’ny fifidianana? Azo heverina ve ny tsy hisian’ny fipoahana sosialy raha izao no zava-misy mialohan’ny fifidianana? Raha ho tanteraka amin’ity aza ny fifidianana dia azo heverina fa io indray izany no lalana hitondra any amina krizy vaovao na krizy aorian’ny fifidianana satria fantatsika fa ny mpitondra ankehitriny na dia ambany be aza ny fankafizan’ny malagasy azy sy ny herijika hiverenan-drizareo eo amin’ny fitantanana ny firenena dia tsy maintsy hampiasa ny fahefana eo am-pelantanany ahafahany mitazona ny fitondrana koa izy raha hiroso indray amin’ny fotoam-piasana faharoa. Sarotra ho aty amin’ny fanoherana sy ny vahoaka manaraka ny toe-draharaham-pirenena koa anefa ny hanaiky ny halatra tsy maintsy ho ataon’ilay mpitondra ao anatin’izay fifidianana izay. Ny firosoana amin’ny fifampiresahana ihany noho izany no vahaolana. Miantso fitoniana politika ny filoham-pirenena farany teo. Miaiky izany ny filoham-pirenena fa betsaka ny zavatra tsy mandeha eto. Iaraha-mahita ny fahasahiranan’ny fitondram-panjakana nandoa ny karaman’ny mpiasam-panjakana teo. Ahoana ity janoary ity? Ho potika ity firenena ity raha mbola hisy fidinana an-dalambe indray ka manana fotoana ny fitondram-panjakana hirosoana amin’ny fifampiresahana, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,