airtel

Politique

19-juin-2024

Antoko politika Otrikafo

«Mila mitandrina ny HCC amin’izay mety ho vokatra avoakany eo»

Sample post image

Tsy misy vokatra azo andrandraina loatra amin’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC,

19-juin-2024

hoy ny antoko politika Otrikafo, fa mazava ho azy hoe hanara-davahana sahala amin’ny efa fanarahan’izany rafitra izany ny baikon’ny mpitondra nifandimby teto hatramin’izay. Ny olana teto amin’ity firenena ity anefa, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny, dia mazana krizy taorianana fifidianana foana. Tsy voatery ho fifidianana filohan’ny repoblika io. Mila fantantsika koa fa ny fifidianana solombavambahoaka dia tafiditra anatin’ilay hoe fifidianana manakaiky vahoaka. Mila mitandrina, noho izany, ny HCC amin’izay mety ho vokatra avoakany eo. Teto amin’ity firenena ity efa nisy izany hoe HCC 1, HCC 2. Mazàna io voka-pifidianana io no isan’ny niteraka korontana teto amin’ity firenena ity. Firenena iaraha-manana i Madagasikara dia miezaka hatrany aloha izany izahay mitondra ny anjara birikinay sy misintona ny feon’ny fiheritreretan’ny rehetra, indrindra, ireo ao amin’ny HCC ireo mba tena hoe lalàna marina no jerena, mba hihaino ny feon’ny fiheritreretany ry zareo fa tsy sanatria io vokatra avoakan’ny HCC io no hampikorontana indray ny firenena izay efa hita hoe latsaka anatina fahantrana tanteraka, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap