Raha ny zava-misy dia na ny lalitra mandalo aza izany izao dia heverin’ny fitondram-panjakana mety hampiongana azy amin’ny sezany, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Elia Rabavahiny, dia izay no mahatonga azy manao an’io fihetsika io. Samy nanao izay endrika fanakatsakanana izay daholo moa izay fitondrana nandalo fa ny tamin’ity nisy tafahoatra. Vahao ny olana mampikaikaika ny vahoaka raha te hijanona ela eo amin’ny fitondrana. Raha hanasa an’andriamatoa prefe any an-tranoko ve aho izany izao dia tsy maintsy mangataka alalana aminy? Toy izany koa rehefa mba hifamangy ny mpianakavy? Vao mainka manaratsy ny endriky ny fitondram-panjakana izao. Raha alefa lavitra ilay izy dia hoe izahay koa ve izany tsy afaka hivory ato amin’ny foibenay ato Andravoahangy intsony? Na anaty trano na an-kalamanjana no resaka dia maneho ny tahotry ny fanjakana vokatry ny tsy fahombiazany izao. Aleo ny olona haneho ny heviny dia manao tan-tsoroka ny mpitandro filaminana. Sa ireo atao biby fampitahorana? Tsy misy ady eto fa ny tsikaritra dia mimenomenona noho ny tsy fahafaliana amin’ny endrim-pitantanana ankehitriny ny olona, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
Legende : Ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,