Tsy misy izany hoe rahampitso izany dia mivaha ny olana, hoy ny filohan’ity antoko ity, Elia Rabevahiny. Tsy maintsy vahaolana maharitra, hoy izy, no tadiavina satria vahaolana paomady foana hatramin’izay no napetraka. Tsy nahavaha ny olan’ny firenena izany. Tsy maintsy io rafitra io mihitsy izany no jerena ny hanovana azy. Ahoana no hiheritreretantsika hoe mandrak’ity ny androany dia tsy hahavita fifidianana isika raha tsy ampian’ny avy any ivelany? Ny rafitra ara-toekarena dia fantantsika hoe iza no mbola mibahan-toerana eto. Ny mpanao politika amin’ny ankapobeny, na mpitondra izy na mpanohitra dia mbola samy saribakoly avokoa ny ankamaroany. Tena hamaha olana ve isika? Nampahantraina i Madagasikara. Mbola hanao vahaolana maimaika eo dia hanolo minisitra isaky ny 6 volana dia eto ihany foana ve sa tena hamaha ilay fototr’olana? Safidy politika io. Rehefa tena hamaha olana ihany dia andao ilay fototr’olana, ilay rafi-pampahantrana no tena vahana raha tena hiatrika fampandrosoam-pirenena marina isika fa raha isaky ny 6 volana na 1 taona dia hiverina amina krizy sahala amin’izao ny firenena dia vao mainka isika mandrendrika ity Madagasikara ity, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany