airtel

Politique

22-déc-2022

Politique

Antoko politika Otrikafo “Takianay ny tany tan-dalàna”

Sample post image

Ny alakamisy lasa teo ny nosamborina ny mpampaneno lakolosy, Andry Biahary, ka nentina avy hatrany tany amin’ny fonjan’i Fianarantsoa rehefa avy nanaovana ny fikarakarana ny antontan-taratasim-pitsarana rehetra,

22-déc-2022

hoy ny antoko politika Otrikafo. Fantatra anefa, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny, fa misy fonja sy fitsarana ao Toliara. Manao izao fanehoan-kevitra izao ny Otrikafo sy ny tenako manokana amin’ny maha zanaky ny faritra atsimo ahy satria efa manahirana ny zava-misy ankehitriny ka ilaina ny fitoniana mba hanaovantsika malagasy fety milamina na dia ao anaty fahantrana tanteraka aza isika. Tsy miditra loatra amin’izay antony nisamborana azy izahay fa mahita kosa fa tombotsoan’ny be sy ny maro sy Toliara manokana ny ady ataony ka tsy mendrika azy ny fonja. Mirary ny vahoakan’I Toliara sy ny malagasy rehetra mba hanao fety sambatra na dia mafy aza ny ady atrehantsika an-davanandro. Takianay Otrikafo ny hanajana ny “État de droit” na tany tan-dalàna satria zo sy adidy no mitaky sy mijoro amin’ny zavatra marina. Izahay anefa mahatsapa fa rariny sy ho tombotsoan’ny vahoakan’i Toliara no takiany ka tsy tokony hanamelohana azy. Ny mahagaga ihany koa dia maro ireo antoko sy mpanao politika milaza azy fa matanjaka any an-toerana nefa tsy mijoro tamin’izao zava-nitranga izao. Tokony mijoro ihany koa isika mpanao politika mba ho vahaolana fa tsy sanatria isika indray no hanitatra ny olana. Ety am-pamaranana dia mijoro ny tenako amin’ny maha zanaky ny faritra ahy no maneho ny alaheloko ihany koa amin’izao zava-misy izao na dia efa navela mody hamonjy ny fianakaviany aza ny rahalahintsika, hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo sy ity antoko ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap