indray dia tsy mbola filohan’ny repoblika izy izany izao, hoy ny antoko politika Teza. Ny fihaonana any Dobai, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa, dia fihaonana mikasika ny tontolo iainana. Ao ny fahatongavana any amin’ny fomba ofisialy fa mety nisy nahazo fanasana koa ho ana filoham-pirenena na filohana orinasa matanjaka sy sahala amin’izay fa raha amin’ny maha filoham-pirenena azy tsy tokony ho any izy satria mbola tsy filoham-pirenena izy ary, indrindra, fantantsika fa namboamboarina ny voka-pifidianana teo. Raha nandray fanasana tamin’iny fifidianana kitoatoa iny, mbola tsy nanao fametrahana amin’ny fomba ofisialy na “investiture” akory ny mpomba azy dia tsy tokony mbola ho any izy. Aza adino fa frantsay ingahy Andry Rajoelina ary tohanan’ny frantsay amin’ny lafiny rehetra. Ireny sinema nataon’ny vondrona iraisampirenena teto rehetra ireny, aza adino fa ny frantsay daholo no milalao an’ireny. Na ny Vondrona Eoropeanina, izay anatiny ny frantsay, na fikambanana maro samihafa mikarakara sy manara-maso fifidianana aty Madagasikara. Mety lafiny hafa koa no nalehany tany. Tany izy tamin’ny tetezamita hoe hitady solika ho antsika gasy. Izy anefa tsy mpandraharaha akory fa afera hafa no nalehany tany. Tsy nisy vidin-tsolika niova akory nony tonga teto izy. Na ny habetsahan’ny solika na ny kalitao tsy niova. Mety hijery kaonty angamba no alehany any dia mody hoe hanatrika COP 21. Mbola tsy manana zo ho filohan’ny repoblika i Andry Rajoelina satria mbola tsy nisy “investiture” akory. Ny BRINKS izao nanasa ny filoha Marc Ravalomanana fa tsy afaka noho ny antony maro samihafa izy. Ny 90%n’ny sehatra misy eto dia mahatsapa ary mahita fa tsy mety amin’ny malagasy io fitsipiky ny demokrasia eto io. Na ny FFKM na ny filohan’ny antenimieran-doholona na ny fiarahamonim-pirenena isan-karazany na ny sendika na antoko politika na ny vahoaka iraimanontolo izany. Ireny tsy nety nandeha nifidy be dia be ireny dia marika miabo be mihitsy fa tsy nanaiky ny vahoaka malagasy hiaina amin’io demokrasia saritsariny io. Niantso hifampidinika ny herivelona rehetra fa sendran’ny mpitondra bontolo dia tsy nisy na inona azo atao. Mila miroso amin’ny dingana manaraka amin’izay ireo rehetra ireo hanao ny fikaonan-doha hampitoviana tsara ny tadin-dokanga, hoy hatrany ny Teza, rehefa tsy hanao ny fitondrana!
J. Mirija
Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly
Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.
Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana
Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina