airtel

Politique

13-févr-2025

Antoko politika Teza

«Tena malemy tsy manam-bahaolana afa-tsy fisamborana ny fitondràna!»

Sample post image

Ny zava-miseho rehetra ankehitriny dia vokatry ny fifidianana, hoy ny antoko politika Teza.

13-févr-2025

efa nilaza mialoha ny Teza, hoy ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa, fa tsy nandray anjara satria ilay fitsipi-dalao amin’ilay fifidianana mihitsy no tsy mety fa mampiady sy mampamono eto amintsika. Ny sasany nefa moa, hoy izy, niroso ihany dia io no vokany. Ny zava-dehibe aloha dia samy mahita hoe tsy mety ny fitsipi-dalao momba ny demokrasia eto amin’ny tany sy ny firenena. Iaraha-mahita io fa amboletra sy sarintsarim-pifidianana fotsiny, atao izay ahalany ny fitondràna eto. Etsy an-daniny misy mba manohitra dia ireny ahiditra am-ponja ireny satria aza adino fa fitondràna mafia io. Ireny no fisehony amin’ny fanaparam-pahefàna ataony. Izay no heverina fa mety mba hampanjakàna izay ho demokrasia eto Madagasikara. Tena malemy tsy manam-bahaolana afa-tsy fisamborana ny fitondràna no fahitan’ny Teza azy! Toe-draharaha tsy azo iainana ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao satria na ara-toekarena na ara-tsosialy na ara-politika dia krizy daholo. Toe-draharaha tsy mari-toerana na «instable» ka ny dikan’izany dia ny fialàn’ingahy Andry Rajoelina ihany no fanafodiny. Ny olona tsy afaka hiaina lava ampihorohoroana sy gadraina sy angalaram-bato sy hanaovana izao lotom-pitondràna rehetra izao. Tsy afaka hiaina amin’izany ny olona fa tsy maintsy mitroatra io olona io na dia mbola ratsy lamina na hoe «mal organisé» aza angamba no fahitàna azy izao dia tsy maintsy mitroatra io! Indrindra fa ingahy Andry Rajoelina olona miaro ny fitondràna frantsay sy ny tombontsoa frantsay. Io izao i Macron ato ho ato ho avy aty amin’ny ranomasimbe indianina, ho any La Réunion, Maorisy, Madagasikara hampandry ny tombontsoany aty satria any Afrika izy efa voadakadaka. Voadakan’i Tchad, Mali, Niger, Sénégal, Centrafrique sy ny maro hafa. Voadakadaka any izy fa tsy misy manaiky intsony ny olona. Eto amintsika sisa no be babakoton’ny frantsay dia mbola matanjaka sy tohanan’ny fitondràna eto izy, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap