airtel

Politique

12-mai-2022

Politique

Antoko politika VAMI “Mahalala ny atao hoe fitohizan’asa ny olona”

Sample post image

Kobaka am-bava hatreto no hita ataon’ny mpitondra ankehitriny mba tsy hilazana hoe mandainga, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Vahoaka Miray na VAMI, Gaby Vakiniadiana.

12-mai-2022

Mitanisa izy ireo zavatra lazainy fa vitany nefa fantatry ny olona tsara fa fitohizan’asa na “continuité de l’Etat” no misy, hoy izy. Mandeha indray amin’izao fotoana izao ny fametrahana vato fisantarana amin’izay rehetra aleha. Nisy ny fampanantenana natao hatramin’izay saingy raha mbola tsy tanteraka ireny dia avaozina amin’ny fametrahana vato fisantarana asa isan-karazany indray ve? Aoka izay ny famitapitahana vahoaka! 50 taona izay ny tolon’ny 1972. Tsy ny mpanohitra intsony no hitondra vahoaka ho vonoina eny an-dalambe. Izay no maha mpanohitra misaina ny mpanohitra amin’izao fotoana izao saingy raha ny vahoaka moa no hitarika hoe andao ho eny dia manaraka izahay. Ampatsiahivinay fa tsy an’ny mpitondra irery fa an’ny vahoaka iraimanontolo ny firenena, hoy hatrany ny VAMI.
J. Mirija
Legende: Gaby Vakiniadiana
 

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap