airtel

Politique

21-août-2023

Politique

Antoko PSD “Ny tapany Atsimo indray ny tokony hitondra…”

Sample post image

Niova ny sary eo anivon’ny Antoko PSD (Parti Social Democtare) naorin’I Dadabe Tsiranana.

21-août-2023

Tao anatin’ny kongresin’io Antoko io ny sabotsy teo tetsy amin’ny Madagascar Espace By Pass, dia nangataka hiditra ho mpikambana sy nirotsaka hofidiana hofidiana ho Sekretera Nasionalin’io Antoko io Atoa Siteny Randrianasoloniaiko, ka lanin’ireo mpizaika 100% hitazona izany toerana izany, hisolo an-dRtoa Eliana Bezaza izay nitana io toerana io ny 2016-2023, ary izy no kandidan’ny PSD tamin’ny 2018. Nidina ho sekretera nasionaly lefitra noho izany ity farany, ka notontosaina ny androtr’io avy hatrany tsodrano ara-drazana sy ny fifamindram-pahefana eo amin’ny fitantanana ny PSD, izay niova ihany koa ny sary famantarana, ka misongadina ao anatin’izany ny loko mavon’ny Mihava Tour. Foto-kevitra iraisana ny fitsinjaram-pahefana sy ny politikan’ny kibo ary ny tombotsoan’ny vahoaka aloha, hoy Rtoa Eliana Bezaza. Naneho, fa nahavita be ny Filoha Tsiranana, kanefa notsoninsoniavina ny zava-bitany, notsipahana ka isan'ny naharendrika ny Firenena, kanefa mbola ao anatin’ny PSD ny soatoavina hanavotana ny Firenena, na niaina rivo-mahery aza io antoko io tao anatin’ny 50 taona. “Siteny Randrianasoloniaiko, dia zanaka mody an-trano hamelo-maso ny anaran-dray”, hoy Rtoa Eliana Bezaza. Naneho fa tsy mialon-jafy ny PSD, misy demokrasia sy fifandimbiasan-toerana, tsy antokon'ny fianakaviana fa an'ny Malagasy. Nanambara ny PSD fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra: Filoham-pirenena, Depiote, ben’ny tanàna, resy lahatra amin'ny antoko, ka niantso an'i Siteny Randrianasoloniaiko izay Sekretera nasionaliny vaovao ho kandida. “Mahita izahay fa fotoana ihany koa izao mba handraisan'ny havantsika avy any Atsimo mba handray ny fitantanana farantampony amin’ny fitantanana ny Fanjakana satria efa nitondra avy ny avy any Andrefana Antsinana, Avaratra, ny teto afovoan-tany, ka raha mba miandrandra izany firaisam-pirenena izany dia mba hitodika amin'ny any Atsimo sao mba avy any indray no mba ahitantsika fahasoavana sy fahombiazana ary fiovana marina”, hoy Rtoa Eliana Bezaza. Mba ho fampiraisana, ary ny niharan'ny voka-dratsin'ny “centralisme” no afaka tena mampihatra ny “decentralisation”, ary isan'ny tena lasibatra ny any Atsimo, hoy izy. Naneho kosa I Siteny Randrianasoloniaiko, fa vonona hijoro miaraka amin'ny mpikambana rehetra, vonona hamelona ny soatoavina napetrak'i Dadabe Tsiranana mba hahatonga ny Malagasy ho sambatra. Resy lahatra fa hiara-handroso, ka ny lalana tokana dia ny rafitry ny Repoblika voalohany nametraka ny fitsinjaram-pahefana, ary naneho fa tsy maintsy mandresy, ka raha lany ho Filoha I Siteny Randrianasoloniaiko, dia miverina ho Sekretera Nasionaly Rtoa Eliana Bezaza. Raha ny tsilian-tsofina moa dia ny 31 aogositra izao no hanambara ofisialy azy I Siteny Randrianasoloniaiko.
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

Mankato ny Kolonely Michael Randrianirina

Card image cap
10-nov-2025

ny fanapahan-kevitra taitaitra

Card image cap
10-nov-2025

fitondrana izao, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
10-nov-2025

Efa nanantitrantitra ary nampiaka-peo

Card image cap
07-nov-2025

andresena ny fitsabahan’ny any ivelany»

Card image cap