Antson’ny fihavanana ho an’I Madagasikara” omaly alarobia 27 septambra 2023, izay naneho fa efa mielim-patrana manerana ny Nosy, ka nilaza fa manana vahoaka maro. Mahatsapa izahay, fa tsy milamina ary tsy araka ny tokony ho izy intsony ny fitondran’ny olom-bitsy ny firenena ka mahatonga anay hitsangana satria manana andraikitra sy adidy ho an’ny vahoaka sy ho an’I Madagasikara mba ahafahanay mitondra ny anjara biriky sy mampandray andraikitra ny vahoaka, hoy izy ireo tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny Anjarasoa R. “Mahatsapa fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony zavatra miseho eto Madagasikara. Fanabadoana vahoaka ny zavatra iainan’ny Malagasy, ka noho izany dia mitsangana sy maneho hevitra sy mampiseho ny herinay amin’izay vitanay sy eritreretinay miaraka amin’ireo olona izay mitovy hevitra aminay”, hoy izy ireo. Nanambara fa tsy manaiky ny fandehanan’ny fifidianana ao anatin’izao sahotaka izao, ary mangataka ny fanajana ny lalàna velona eto Madagasikara mba tsy hisian’ny rà mandriaka sy ady saritaka mialoha sy mandritra aorian’ny fifidianana izy ireo. Nanitrikitrika fa tsy manara-dalàna ny zava-misy amin’izao satria raha ny rariny sy ny hitsiny dia tsy tokony io governemanta io no hitondra ny fifidianana. Ny Praiminisitra amin’izao no efa nitondra ny fifidianana, ary moa ve tsy ny kandidany ihany no homeny tombony? Hoy hatrany izy ireo. Tsy mitsipaka, ary miombon-kevitra amin’ny FFKM. Ny tsy hitovizany amin’ny antso samihafa, dia tsy ho resabe ambony latabatra fotsiny, mety tsy hitovy ny hafainganam-pandeha, hoy hatrany ity vovonana ity. Milaza ho manana vahoaka manerana ny Nosy izy ireo, ary teboka iray no potserinay, dia mirehitra ny eran’I Madagasikara manaraka ny teninay, hoy izy ireo, izay naneho fa raha hofenoiny Analakely na Mahamasina dia fenony. Nitondra hafatra manokana ho an’ny mpitondra moa ity vovonana ity. “Efa voatenin’ny haino aman-jery isan’andro ny fandikan-dalàna ataonareo, mangataka anareo minisitra rehetra ao anatin’ny governemanta miala teo daholo ianareo raha tianareo hilamina I Madagasikara. Tsy io no zavatra ao anatin’ny lalàmpanorenana, ary tsy izahay no hampianatra anareo, fa aza ahodinkodinareo ny resaka. Efa tsy hiteny ny raharaha 8sm intsony, fa efa malaza be iny,… Rehefa holalaovinareo ny vahoaka sahirana, dia miala tsiny amin’ny fihavanana fa ho avy aminareo izahay,...”, hoy hatrany I Anjarasoa A. Isan’ny nasaina sy tazana nandray fitenenana tao anatin’io moa ireo mpanao mpanao politika tahaka an-dry Alain Andriamiseza, Maurice Beranto,…
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,