airtel

Politique

20-mars-2023

Politique

Ataovy ny asa f’aza be fihetsiketsehana

Sample post image

Ela be isika izay ry jean no tsy nifandray intsony. Samy sahirana tamin’iny fatina COVID COVID iny daholo koa isika mianakavy. Ny anay izao ny fianakaviana sy ny namana dia betsaka no voa mafy.

20-mars-2023

Maro koa ireo very asa hatramin’izao. Izaho nefa mino fa salama tsara ianao any sy ny namanao. Ireo ministrao koa inoako fa salama be ary nahazo bizna bobaka be tamin’ireny ECRAN plat sy bonbon ireny. Fa mba rahoviana tokoa ho aho ry jean ny fitsarana azy ireny ah? Sa tsy maika noho ny fitsaràna ny zanak’i maitre mpanohitra sy ny fitsarana an’i jean rolly? Sao dia miangatra be loatra ianao ry jean ah. Vao omaly ianao no koboko nandohalika nivavaka be ho an’ny firenena. Saika vaky ny foko nahita ilay akanjo fotsy izay hita fa tsara homana ery. Dia ireny fitafy ivelany ireny foana ve no hanabadoantsika olona ry jean? Nahoana raha tena miditra amin’ny fampihavanana sy fifamelàna marina nefa isika Malagasy e? Ianao anie ry jean no tokony hanomboka an’izany e! Mba kozio ireo troupy jeannete akamano ireo hoe efa tonga minisitra sy tsara toerana ianareo izao hoe. Tsara raha matotra amin’izay fa maika anie mampidina be ny lanjanareo ny fihetsika sy vava tafahoatra ataon-dry jeannette reo e!
Raha tena avy ao am-po ireny vavaka ireny ry jean kely dia tokony mba hanoro hevitra anao i mopera jean pedro hoe tsy ireo fihetsika fampitahorana lava sy ireo fomba taloha intsony no ahafahana hampandroso firenena ah. Nety ireny nanaovana amboletra nangalana fanjakana, fa tsy mety ireny hampandrosoana. Ireo dahalo sy mpanendaka izao mahazo aina daholo fa sahirana manohitra ny mpanohitra etsy analakely fotsiny ry jean beboty.
Tsy aleo ve ry jean miditra amin’ny tena fampandrosoana amin’izay ah, tsy propagandy intsony anie izao fa efa tena izy e! Ianao anie efa tena lany fa tsy kandidà intsony e! Ny tena politika ry jean dia ny fomba entina hitondra fandrosoana fa tsy hoe izay fomba ahalany na mety na tsia ny atao e!
Eny e, aoka izay fa lasa be menomenona be eto aho. izaho koa ary ato efa mihamahia amin’ny tsy fisian’ny asa. Efa lasa 73,7 kilao aho sisa ry jean kely. Loooza!!!!

 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy

Card image cap
02-oct-2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

Card image cap
02-oct-2023

Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,

Card image cap
02-oct-2023

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

Card image cap
02-oct-2023

Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may

Card image cap
02-oct-2023

Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)

Card image cap