Lasa malailaifonosona amin’ny raharaham-pirenena ny ankamaroan’ny olom-pirenena. Ahitana taratra izany ny raharaham-pifidianana, ny hetsi-panoherana,… Ny mahagaga, isaky ny hoe manao fanavotam-pirenena isika dia miditra anaty krizy foana ary mitombo ireo mahantra, any amin'ilay vokatra no jerena. Mila atao mahitsy tsara noho izany fa tsy fanavotam-pirenena sadasada hoenti-mitady seza sy fahefana. Taloha i Madagasikara voasokajy hoe: firenena an-dalam-pandrosoana (Pays en voie de développement) fa izao isika tafiditra amin’ny hoe: PMA (Pays les Moins Avancés) na tena taraiky sy farahidiny, ampidirina ao amin'ny IPPTE (Initiative pour les pays pauvres très endettés). Henjana izany hoe: firenena farahidiny mahantra sy bokan-trosa indrindra. Isan’ny antony lehibe ny tsy fisiana fitoniana politika, noho ny ataon'ny mpanao politika no isan’ny mahapotika ny firenena, fa tompon’andraikitra feno ihany koa ny olom-pirenena noho ny safidiny sy ny tsy fandraisany andraikitra, toa manaiky lembenana. Mba mety samy nanao izay vitany tokoa tamin’ny fitondrana firenena, mety nisy ny nahita vokatra mba hita taratra ihany, tao ny nitarika nidina ny firenena,… Na nisy aza izany rehetra izany, rendrika tanteraka ny firenena ankehitriny, izany hoe: nibahan-toerana kokoa ny tsy fahombiazana. Ny fanazavan’ny manam-pahaizana ara-toekarena dia zavatra telo no tena mety mampihemotra firenena. Ady an-trano, loza voajanahary goavana, ary tsy fahaiza-mitantana. Ny tsy fahaiza-mitantana aloha tena misongadina ankehitriny, ary io no niteraka nakany amin’ny fihemorana sy fahapotehana lalina tahaka izao. Tsy nitsahatra nitotongana isika, indrindra fa tato anatin’ny 13 taona farany, ary tsy resaka fanasohasoana na fanakianana tsangan’olona, fa miteny ho azy ny tarehimarika samihafa sy ny fiainam-bahoaka. Niharatsy hatrany ny fitantanana, vao misy tafiakatra kely zana-tohatra roa na telo, dia miongana any ambany. Lasa teboka miabo ho an’ny mpitondra tsy nanjary ny vao mainka tsy fahombiazan’ny mpandimby. Zary milaza ho mesia hanavotra firenena avy eo ny hafa izay efa hita ny nafitsony teo. Ao ny miandry tataka fotsiny rehefa misy toe-draharaha mafana satria misy mpanao “combien”, hoy ny vazivazy,… Na betsaka aza ny olom-pirenena toa leom-boanana ka zary lasa mampiditra anaty kitapo iray ny mpanao politika. Betsaka ihany koa anefa no efa manaraka ny raharaham-pirenena sy mandinika ny zava-misy, maka lesona amin’ny tantara, mitadidy, mety tsy ho voarebirebin’ny balarora politika intsony.
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny