airtel

Politique

10-févr-2023

Politique

Ben’ny tanàna ao Bongolava « Aza kitikitihana ny governora miasa.. »

Sample post image

Tontosa omaly ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao tany amin’ny faritra Bongolava teo amin’ny governora Ramiaramanana Joseph sy ny mponina notarihan’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna sy sefo fokontany maro.

10-févr-2023

Nanana solontena tao avokoa ny foko 18 ao amin'ny faritra.Fotoana iray nahafahana nanao tamberina ny amin’ny asa efa vita tahaka ny fanamboarana ny Biraon'ny polisy, kaominina, lalana, sekoly manarapenitra, tetezana, tsena. Ny « engins » avy namaky lalana tao Fenoarivobe dia nampandalovina kaominina maro ary dia hipaka any Mahasolo,... Tsy hisy hoadinoina ny kaominina rehetra, hoy ny resaky ny governora . Zavadehibe ny firaisankinan’ny rehetra ary ahavitan-javatra izany, ho an’ny Ben'ny tanàna Ankadinondry Sakay izay efa 20 taona no naha ben'ny tanàna azy dia nanambara mazava omaly fa : « tohananay hatramin'ny farany ny governora satria azo tsapain- tanana ny asa nataony. Maro ny fotodrafitrasa notohanan'ny governora tao amin'ny kaominina Ankadinondry Sakay. Mbola misy asa mandeha amin'izao fotoana izao. Ny olona manao fampandrosoana no iarahana fa tsy ny mirona amin'ny hevitra tsy mampandroso ». Nahazo tsindro-paingotra kely teto ny solombavambahoaka IRD any an-toerana izay nambara fa tsy maharesy lahatra intsony . Ho an’ny Filohan'ny fikambanan'ny ben'ny tanàna ao Bongolava, Ramaroson Mbolatiana, izay nahavita fotoam-piasana 4 dia niavaka ny governora tao anatin'ny 2 taona sy 5 volana ary betsaka ny zava- bita tao Bongolava ary tsy mena- mitaha amin’ny faritra hafa. Governora nahay nampiray an'i Bongolava manontolo, be dia be ny fampandrosoana nataony ary tena nipàka amin'ny vahoaka. Na lalana, na tetezana na kaominina, tena nanampy tamin'ny resaka fampandrosoana, hoy hatrany ny kabary omaly tao Tsiroanomandidy. Nanamafy ireto ben’ny tanàna resy lahatra amin’ny fomba fiasan’ny governora ireto fa ny olana tao Bongolava efa nisy foana hatramin'izay 16 taona izay, Solombavambahoaka IRD no manakorontana ary niadivany daholo ireo lehiben'ny faritra rehetra tsy nanaraka ny tiany natao hatramin'izay. Izahay no nampandany an'io ary nisy fifanarahana natao tamin'izany manoloana ny fampandrosoana. Rehefa lany izy anefa dia nomeny lamosina daholo izahay ben'ny tanàna,hoy izy ireo koa dia manasa tanana aminy izahay. Fiarovana tombontsoa manokana no ananganana ady amin'ny governora fa tsy misy afatsy izay. Aza hozongozonina ny governora izay tena hita fa miasa. Raha tena solombavambahoaka marina dia ampio izy amin'ny fampandrosoana sy ny asa, hoy ireto ben’ny tanàna ireto.19 moa izy ireo no niatrika ny lanonana omaly.

Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap