Voandalana maro no nentiny tamin’izany nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly. Anisan’ireny ny fihaonana tamin’ny Association Zazakely izay manohana sy miara-miasa amin’ny EPP sy ny Fokontany ao Ambodivondava. Taorian’ny nisian’ny valan’aretina COVID 19 tany an-toerana mantsy dia maro tamin’ireo mpikambana no tsy afaka nandrotsaka ny fandraisany anjara nentina nampandehanana ny sakafo ho an’ny mpianatra tao amin’ity EPP iray ity intsony. Nisy araka izany ny fihaonan’ny Ben’ny tanànan’Alasora Randriantsoa Jimmy tamin’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny fikambanana. Tsiahivina moa fa mahatratra 35 Euros isaky ny ankizy isan-taona ny vola omen’ity fikambanana ity entina hamatsiana io sakafon’ny mpianatra ao amin’ny EPP Ambodivondava io. Mpianatra miisa 500 ao amin’ny EPP Amboaroy ihany koa no hahazo sakafo atoandro maimaim-poana tahaka izany. Ankoatra izay dia nihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny fikambanana Madagascar Action Solidaire ihany koa ny Ben’ny tanana izay miara-miasa amin’ny Association Malagasy Mifanampy ao Alasora. Hifanome tanana hanamboatra ny EPP ao Mahatsinjo ny roa tonta izay marihina fa ravan’ny rivo-doza farany teo.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’Alasora
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika