Voaantso hatao fanadihadiana eny amin’ny Bianco mantsy ity olom-boafidy ity, lazaina fa nanodikondina vola. “Ny anay anefa ny fitantanana dia mazava tsara, ho avy aho hamaly ny fiantsoan’ny Bianco na dia tena antomotra be aza satria alakamisy 3 novambra tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro aho no nahazo taratasy avy any amin’ny zandarimariam-pirenena milaza fa ny zoma 4 novambra amin’ny 2 tolakandro mila tonga eny amin’ny Bianco Ambohibao Antananarivo”, hoy izy. Hatramin’izay naha ben’ny tanàna azy no efa nanelingelina ny antokon’ny fitondrana sy ireo antoko izay resiny tamin’ny fifidianana ny ben’ny tanàna Liva, izy izay avy amin’ny antoko Tia Tanindrazana. Nialohan’izay aza, tamin’ny fifidianana depiote, dia ity tanora manam-pahaizana isan’ny reharehan’I Betafo ity no lany, saingy nitsimbadika ny rasa. Na eo aza ny antsojay samihafa, manana foto-kevitra mazava tsara ary tsy miovaova izany, manana fomba fiasa mahitsy sy ahitam-bokatsoa ho an’ny vahoaka sy ny kaominina. Efa ho 2 herinandro no fantatra fa nanadihady tao Betafo ny iraky ny Bianco, ary efa nisy olona sahy namoaka vava hoe : tena lehilahy io “maire” io raha afaka amin’io Bianco io. “Miendrika antsojay sy kilalao politika maloto ilay manjo ahy, manelingelina ny sasany angamba aho, ary atahorana amin’ny fifidianana manaraka satria na tsy nahazo fanampiana aza dia nahavita asa ary nahavita nanampy ny tantsaha”, hoy ny ben’ny tanàna Livasoa Randriatahianamalala. Ohatra iray isan’ny mampiavaka ity ben’ny tanàna ity ny fijerena ny tantsaha, tonga hatramin’ny fikarohana làlam-barotra iraisam-pirenena, toy ny amin’ny sehatry ny soja. Misy anefa ny tsy faly amin’ny fahombiazany sy ny fanohanan’ny vahoaka azy. Fikambanana iray sy olom-boafidy mitondra ny lokon’ny fitondrana no ahiana ho ao ambadik’izao fikasana handredrika ny ben’ny tanàna izao raha ny tsilian-tsofina re . Tena mahagaga ilay fanaovana politika fa ny olona miasa indray no ezahina potehina ary ny manahirana dia ampiasaina ireo rafitra toa ny fitsarana sy ny Bianco handetehana izay tsy mitovy hevitra amin’ny antokon’ny fitondrana, hoy ny fanamarihana avy any Betafo. Maro ihany koa ny vahoaka sosotra eo anatrehan’ity karazana antsojay ity. Hamaly ny fampanantsoan’ny Bianco ny ben’ny tanàna Livasoa Randriatahianamalala anio, ka dia andrasana ny tohiny.
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,