hatrany hanamafy ny tolona ny Firaisankinan’ny kandida. Izy ireo izay maneho fa tena tolona ho an’ny firenena no atao, ary efa nifanome toky ny rehetra fa tsy mivadika, tena hitondra fanovana ho an’I Madagasikara,… Raha hiverenana dia isan’ny anton’ny tolona ny famerenana ny tany tan-dalàna, famerenana ny fiandrianam-pirenena amin’ny alalan’ny tsy fanekena ny filatsahan’ny olona tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy, tsy fanekena ny fifidianana feno hosoka sy kajikajy, fanovana ireo rafitra mikarakara sy mitsara ny fifidianana, fanovana ny governemanta mitanila,… “Mazava ny toromarika, aza mieritreritra fampielezan-kevitra mihitsy! Maro ny dingana efa natao, fa ny zavatra rehetra mivoaka mandrak’ity ny androany, dia handraisana fanapahan-kevitra hirosoana amin’ny tolona. Tsy mijanona fotsiny amin’ny firaisankinan’ny kandida ny hetsika, fa misokatra ho tolom-bahoaka, ho tolom-panafahana an’I Madagasikara, ka ho an’ireo komity sy mpanohana rehetra manerana ny Nosy dia mivoria, tohizo ny asa, fa tsy propagandy no atao fa fanohizana sy fanamafisana ny tolona”, hoy ny kandida Brunelle Razafitsiandraofa. Nambarany fa efa nifamepetra ny kandida. Tamin’ny tolon’ny depiote dia efa nifamepetra fa hametraka fanovana an’I Madagasikara, saingy rehefa tonga teo ny namana dia tsy nizotra tamin’izany làlana izany, hoy ny fanazavany. “Izahay ireto kosa efa nifamepetra, fa hanova sy hanamboatra an’I Madagasikara”, hoy hatrany ity kandida ity izay nilaza fa hatreto mbola ny vahiny no manao ny mafana sy ny mangatsiaka eto, ka tsy azo ekena intsony.
Toky R
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany